· Oktobra, 2011

Tantara mikasika ny Panamà tamin'ny Oktobra, 2011

Kolombia: Ny FTA Sy Etazonia Tao Amin'ny Tontolon'ny Bilaogy

  24 Oktobra 2011

Miaraka amin'ilay fifanarahana nosoniavina tany Washington hampakarana ny haavo farany ambonin'ny trosa taorian'ny fifamaliana henjana teo amin'ireo Demokraty sy Repoblikana, ny mpitarika ny Kaongresy ao Etazonia dia niverina tamin'ny lohahevitra momba ny fifanarahana ara-barotra malalaka (free trade agreement - FTA) miaraka amin'i Panamà, Korea Atsimo ary Kolombia. Lasa lohahevitra nivelatra sy noresahana be nandritra ny taona maro, teo anivon'ny tontolon'ny bilaogy izy io dia nahasarika tsikera maro raha mitaha amin'ireo mpankasitraka.

Panama Nanokatra ny Lalao Fiadiana Ho Tompondaka Eran-tany Amin'ny Baseball

  11 Oktobra 2011

Nosokafana tamin'ny Asabotsy 1 Oktobra, ny fiadiana ho tompondaka erantany faha-39 ny Baseball (IBAF). Nahazo voninahitra hampiantrano azy ity i Panama tamin'ny volana Novambra farany ary sambany no nampiantrano hetsika goavana tahaka izao ity firenena malaza amin'ny fankafizana baolina fandaka ity. Tsy ho eo amin'ny resaka fanatanjahantena ihany no hiavaka ity...

Panama: Rava ny Governemanta Iombonana

  08 Oktobra 2011

Nesorin'ny filoha Panameana Ricardo Martinelli teo amin'ny toerana maha-Chancelier azy ny filoha lefitra Juan Carlos Varela, niteraka ny faharavan'ny fiombonana teo amin'ireo antoko eo amin'ny fitondràna. Haingana dia haingana ireo fanehoan-kevitra tamin'ny Twitter. Saika teo noho eo dia noforonin'ireo mpampiasa twitter ny tenifototra #siyofueravarela (raha izaho no Varela) izay hiresahan'ireo Panameana izay mety ho nataony raha izy no nalàna tsy ho Chancelier.