· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Panamà tamin'ny Marsa, 2011

Panama: Fara-veloma an'i Guillermo Ford

  29 Marsa 2011

Nomen'i Panama voninahitra tamin'ny alalan'ny fandevenana ara-panjakana, tamin'ny 22 Martsa i Guillermo “Billy” Ford[es], Filoha lefitra teo aloha ary Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny politika ara-toekarena (1989-1994). Nampihetsi-po ny fotoana, hoy ireo Panameana nahatsiaro ny fiainan'ity mpanao politika sy mpandraharaha ity, izay olo-malaza fantatra amin'ny anarana hoe “Feo garagaran'Akoholahy”...

Panama: Mpanao gazety voaroaka

  16 Marsa 2011

Noroahana ilay mpanao gazety Espaniola Paco Gómez Nadal rehefa avy notazonina tamin'ny faha 26 Febroary nandritry ny hetsi-panoherana nataon'ny mponina zanatany mikasika ny fanavaozan-dalàna mifehy ny harena an-kibon'ny tany ao Panama. Na teo aza ny fanomezan-toky nataon'ny filoha Ricardo Martinelli hanafoana ilay fanavaozana ny fehezan-dalàna faha 8 mifehy ny harena an-kibon'ny tany, dia nampahatsiahy anay ny Panameana sasany fa tsy mbola voavaha ny olan'ilay mpanao gazety noroahana.