Tantara mikasika ny Nikaragoa

Fiarahaban'ny vehivavy!

  30 Novambra 2018

Azo antoka fa tsy mila miteny Espaniôla ianao vao hahatsapa ny volo mitsangana ao amin'ny tendanao rehefa mijery ity lahatsary mampihetsi-po ity, izay novokarin'ilay bilaogera Arzantiniana Malearg, ary mitantara ny fandrosoana sy ny zava-bita nataon'ireo vehivavy manerana izao tontolo izao.

Nikaragoà: Miverina ao amin'ny Plaza de la Revolución indray.

  27 Aogositra 2018

Manana toerana ahitana foibe ara-tantara sy marika ny tanàna tsirairay. Ao Managua, Nikaragoà, Plaza de la Republica, fantatra amin'ny hoe Plaza de la Revolución no toerana toy izany. Maro ireo tranga ara-tantara nitranga tao amin'io kianja io, toy ny hetsika mpomba an'i Somoza, ny fandresen'ny revolisiona tamin'ny taona 1979, sns.

Nikaragoa: Ampihimamba Atao Amin'ireo Fifandraisandavitra

  06 Jona 2018

Ny 26 may 2008, nanambara ny gazety nikaragoaiana La Prensa fa i Carlos Slim, lehilahy manankarena indrindra eto ambonin'ny tany, dia eo ampividianana ny fandaharana iray manan-danja indrindra andoavam-bola ao amin'ny fahitalavitra ao Nikaragoa. Mahatsiaro sahirana ireo mpanjifa amin'ny fahazoana fidirana aminy.