Tantara farany mikasika an'i Nikaragoa
04/11/2012
Fanarahan'ny Olom-pirenena Maso Ny Fifidianana Monisipaly ao Nikaragoà
Miomana hamporisika ireo Nikaragoana hampiasa ny teknolojia dizitaly hanaraha-maso sy hitaterana ny fifidianana monisipaly tanterahina ny 4 Novambra izao ny "Sehatra Mahaleotena Fanarahan'ny Olom-pirenena Maso Ny Fifidianana. Ho fanampin'ireo tatitra ao amin'ilay vohikala, mamporisika ireo mpampiasa aterineto ihany koa izy ireo hampiasa ny tenifototra #YoObservo (Manara-maso Aho) aloha sy mandritra ny andro fifidianana.
10/09/2012
Lahatsary: Fipoahana Volokano San Cristobal Tao Avaratry Nikaragòa
Manana ny lisitry ny lahatsary mampiseho fipoahana volokano nanohina tao Nikaragòa tamin'ny 8 Septambra lasa teo ireo mpisera YouTube. Volokano San Cristobal, izay avo indrindra ao amin'ity firenena Amerika Afovoany ity, no...
11/08/2012
Manomboka Mametraka Ny Toerany Amin'ilay Lalao Olaimpika Ao Londona i Amerika Afovoany
Herinandro taorian'ny fanokafana ny Lalao Olaimpika tao Londona, i Amerika Afovoany dia saika nahazo medaly iray kanefa nisy niavaka ihany. Vavolombelon'izany ireo tambajotra sosialy ary milazalaza amintsika ny mombamomba ny zava-bitan'ireo avy any Goatemalà, Honduras, ary Nikaragoa.
11/07/2012
Nikaragòa: Tsy Mijanona Ny Tolona Ho Fampitsaharana ny Fampiasana Ny Ankizy
Tsy mora tokoa ny manandrana mampitsahatra ny fampiasana ny ankizy ao Nikaragòa, mampiseho ny antony mahatonga ireo ankizy marobe mbola miasa ity lahatsary manaraka ity na dia teo aza ny fisian'ny lalàna vaovao ....Na dia miasa mandritra ny tontolo andro aza izy ireo ka reraka vao mody an-trano, mirehareha tanteraka amin'ny fanampiany entiny ho an'ny fianakaviany ireo ankizy sy tanora ireo, ary tsy mandray izany ho toy ny "asa" na zavatra manitsakitsaka ny zony.
30/03/2012
‘Mujeres Construyendo': Fampivoarana Ny Vehivavy, Bilaogy Iray Amin'ny Fotoana Iray
Mujeres Construyendo, sehatra voalohany ho an'ireo vehivavy bilaogera amin'ny teny Espaniola dia te-hamadika ireo vehivavy miteny Espaniola ho lasa mpamorona votoaty ety anaty aterineto. Mitafa amin'ny mpamorona azy io izahay, Claudia Calvin, mikasika ny firoboroboan'ny vondrom-piarahamonin'ny bilaogera.
28/03/2012
Nikaragoa: Horonantsary Momba Ny Vokatry Ny Lahatsarim-betaveta An-tsokosoko Mitady Fanohanana Ara-bola
Andianà mpamokatra sy mpilalao sarimihetsika efa nahazo loka no tonga niaraka tany ambanivohitr'i Nikaragoa mba hamokatra horonantsary momba ny fiantraikan'ny fanodinana an-tsokosoko lahatsarim-betaveta ataon'ireo tanora izay lasa hitan'ny sarambabem-bahoaka aty aoriana noho ny tsy fitandremana. Mitady tohana ara-bola fanampiny ry zareo mba hamenoana ny saran'ny fipetrahany ao Matagalpa, Nikaragoa, ary ny vola rehetra voaangona dia holaniana ao an-toerana ihany
24/01/2012
Nikaragoa : Manivana Ny Mpanjifany Ilay Orinasam-pifandraisan-davitra CLARO
Ny fikirizan'ny fiarahamonina anaty aterineto ao Nikaragoa tamin'ny alalan'ny tambajotra sosialy tamin'ny fiampangana ny fanivànana nataon'ny CLARO Nikaragoa no antony nanajanonan'ilay orinasa ny tohintohina nataony ka nanalàny ny sakana tsy hidirana tao amin'ny claroqueno.com.
09/01/2012
Amerika Afovoany: Navoakan'ny Tetikasa LibreBus Ny Fanadihadiana Notontosainy
Nandritra ny volana Mey 2011, nitety ny araben'ny firenena dimy ao Amerika Afovoany mitady kolontsaina sy fahalalàna malalaka ifampizaran'ireo mpankafy izany ny LibreBus [es]. Mivoaka ary azo jerena an-tserasera ankehitriny ny lahatsarim-panadihadiana nampiseho ny atrikasa isan-karazany nandritra ny fitetezam-paritra.
20/10/2011
Lahatsary: Anaty Rano i Amerika Afovoany
Nitondra oram-batravatra sy orana naharitra andro maro nanerana an'i Amerika Afovoany ilay andro ratsy 12-E, niteraka tondra-drano, fanakatonana ireo làlana sy lalambe migodana ary famindràna toerana olona. Amin'ny alalan'ity lahatsoratra ity no ahitantsika ireo fiantraikan'ny ranon'orambe nanerana ireo firenena maro ao Amerika Afovoany
12/07/2011
Arzantina: Mpamoron-kira Facundo Cabral Nisy Namono Tao Goatemala
Facundo Cabral no ha muerto, se inmortalizó Fiorella FM (@superfiore) Tsy maty i Facundo Cabral , maharitra mandrakizay ny lazany… Fiorella FM (@superfiore) Ny marainan'ny Asabotsy 9 Jolay, nisy namono...






























RSS ho an i Nikaragoa
Karohy Wikipedia ny Nikaragoa



Rehefa App ny resaka dia fampiasa na fampiharana no tsara iantsoana azy kokoa