· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Meksika tamin'ny Desambra, 2012

Andro Faha-2 Ho Fampandrosoana An'i Amerika Latina 2012

  29 Desambra 2012

Nifarana tamin'ny Alahady 2 Desambra teo ny andro faha 2-n'ny hackathon isam-paritra ho fampandrosoana an'i Amerika Latina 2012, nokarakarain'ny Ciudadano Inteligente Foundation tany amin'ny firenena valo any amerika Latina. Taorian'ny asa mafy tsy ankiato 36 ora , dia nanomboka nanolotra ny tetikasany ireo mpandray anjara tany amin'ny faritra samy hafa mba hahafahan'ny mpitsara maka fanapahan-kefitra ao aoriana ao. Eto no anoloranay ireo mpandresy avy any amin'ny faritra samy hafa.

Nanohina An'i Meksika ny Fahafatesan’ilay Kolombiana Mpilalao Baolina Kitra Miguel Calero

  29 Desambra 2012

Fanavaozam-baovao (4 Desambra 2012): Tamin'ny alalan'ny fanambarana an-gazety navoaka Facebook [es] no nilazan'ny Pachuca Football Club (Meksika) fa maty tamin'ny talata 4 desambra i Miguel Calero.  Nandalo fotoan-tsarotra ilay mpialalao baolina kitra Kolombiana taloha Miguel Ángel Calero sy ny fianakaviany. Nanaraka fitsaboana manokana avy amin'ny dokotera spesialista i Calero hatramin'ny 25 Novambra,2012 taorian’ny fahatapahan'ny lalan-drà...

Meksika: Sary Indray Mijery Mikasika Ny Fampiterahana Eran'Izao Tontolo Izao

  20 Desambra 2012

Ny fifandraisana ara-kolotsain'ny mpampiteraka no lohahevitr'ity sary am-bilaogin'ny Offbeat Mama mivahiny ato ity, nakarin'ilay mpakasary Alice Proujansky mipetraka any Brooklyn. Nitety faritra izy fony mbola dimy volana ny kibony ary naka sary ny fifanakalozam-pahalalana ara-kolotsaina tany Quintana Roo, toerana izay nalehan'ireo mpianatra manaraka ilay hany fandaharam-pampianarana nankatoavin'ny governemanta mikasika ny fampiterahana hianatra ny fampiterahana ara-pomba nentim-paharazana Mayana avy amin'ny faritra ambanivohitra.

Fampiasa Nandresy Tamin'ny Hackaton Goavana Indrindra Ao Amerika Latina

  06 Desambra 2012

Nalefa voalohany tao amin'ny engine room ny lahatsoratra Desarrollando America Latina [es], karazana fifaninanana erantany ho an'ireo mpanao hacking ao Amerika Latina, no hotontosaina mandritra ity herinandro ity manerana ny firenena 8 ao Amerika Atsimo sy Afovoany. Rehefa tafahaona tao an'efitra ireo mpahay teknolojia miaraka amin'ny angon-drakitra misokatra (open data) sy hiresaka momba...

Andro 1 Amin'ny Fampandrosoana an'i Amerika Latinina 2012

  03 Desambra 2012

Indro fa nanomboka tamin'ny 1 Desambra ihany ny Fampandrosoana an'i Amerika Latinina 2012 (#DAL2012). Tamin'ity taona ity ny hackathon rezionaly nomanin'ny Ciudadano Inteligente (Olompirenena Maranitra) Foundation [en] dia nentina tany amin'ny [en] firenena Amerikana Latinina 8: Arzentina, Bolivia, Brezila, Chile, Costa Rica, Meksika, Però ary Orogoay. Indro zaraina ny tatitry ny andro voalohany.

Te-ho Filoham-pirenena Vaovao Meksikana Daholo Ny Olon-drehetra

  02 Desambra 2012

Raha i Enrique Peña Nieto nianiana ny ho filoham-pirenena vaovaon'i Meksika, ireo mpisera amin'ny ateriet kosa nanomboka nampiasa ny tenifototra #SiYoFueraPresidente (Raha mba izaho no filoha) mba hizaràna ny fomba fijerin'izy ireo mikasika ny olana maika indrindra mihatra amin'ny firenena.