· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Meksika tamin'ny Marsa, 2012

Meksika: Ireo Hetsi-Panoherana sy Fankalazana Nanamarika ny Fitsidihan'ny Papa Benoà

  29 Marsa 2012

Nandritra ny andron'ny 23, 24, 25 ary 26 Martsa 2012, Joseph Aloisius Ratzinger (fantan-daza amin'ny anarana hoe Papa Benoà XVI), Filoham-pirenen'ny Tanàna ao Vatikana sy Papan'ny Fiangonana Katolika, no nanao fitsidihana pastoraly tao Meksika miaraka amin'ny delegasionina lehilahy maro mpitondra fivavahana. Tsy nitsidika ny Distrika federaly ao Meksiko ( renivohitr'i...

Hampiantrano ny Fetiben'ny Kolontsaina Mozikaly lbero-Amerika “Vive Latino” Andiany Faha-13 I Meksika

  27 Marsa 2012

[Ao amin'ny tranokala teny-Espanola avokoa ny rohy rehetra, raha tsy misy ny fiovana] Mitoetra ho foiben'ny Fetiben'ny Kolontsaina Mozikaly Ibero-Amerika “Vive Latino” andiany faha-13 izay atao amin'ny 23, 24, ary 25 Martsa 2012 ny tanànan'i Meksika. Fetiben'ny mozika iraisampirenena ny Vive Latino, amin'ity indray mitoraka ity dia mbola hisy ny fampahafantarana lahatsary fanadihadiana,...

Meksika: Horohorontany Maridrefy 7.8 No Namely ny Tanàna

  25 Marsa 2012

Tamin'ny 20 Martsa 2012 manodidina ny mitaotaovovonana, namely ny faritra atsimo sy afovoan'i Meksika ny horohorontany. Tsapa fa mahery kokoa ilay horohorontany tao amin'ny firenena  Oaxaca, Guerrero, Morelos ary tao afovoan-tanànan'i Meksiko. Araka ny vaovao avy amin'ny Sampan-draharaha Misahana ny Fihovitry ny Tany Ao Meksika (Mexican National Seismological Service) (@SimsologicoMx), toy izao ny...

Meksika: Lahatsarin'ny Horohorontany 7,8 Tsapa Tany Meksika

  21 Marsa 2012

Ny 20 Marsa 2012, tratran'ny horohorontany ny morontsirak'i Acapulco any Meksika, izay notaterina fa teo anelanelan'ny 7,6 sy 7,8 amin'ny maridrefin'i Richter. Hatramin'izao dia tsy mbola nahenoana fa nisy ny aina nafoy. Indreto manaraka ireto ny lahatsary samihafa ahitana izay tsapan'ny any faritra samihafa ao amin'ny firenena nandritra ny hovitrovitra. Amin'ny teny espaniola avokoa ny feo.

Meksika: Tezitra Tamin'ny Kandidà Vázquez Ny Mpianatry ny Oniversite

  20 Marsa 2012

Tokony hitandrina amin'ny fomba fiteniny amin'ny vahoaka ny kandidà hirotsaka hofidiana filoham-pirenena ankehitriny ao Meksika, farafaharatsiny hatramin'ny volana Jolay 2012, hanatontosana ny fifidianana filoham-pirenena. Fahadisoana kely na fanambarana diso fandray dia mety hampihemotra ny mpifidy amin'ity taom-pifidianana ity. Josefina Vázquez Mota, kandidà vehivavy tokana nirotsaka hofidiana, no tratran'ny tsy fifankahazoan-dresaka...

Kioba: Resaka Momba Ny Kaonty Twitter an'i Yoani Sánchez

  20 Marsa 2012

Ny 26 Febroary 2012, lahatsoratra iray ho fanehoana fomba fijery [es] nivoaka tao amin'ny gazety iray mpivoaka isan'andro ao an-tananan'i Mexico , La Jornada, no nanondro ilay Kiobana bilaogera Yoani Sánchez ho "hosoka" noho ny haavon'ny hetsika ataony sy ny lazany ao amin'ny Twitter.. Miraradraraka ny fanakianana sy ny fanohanana.

Mametraka Lalàna Fanaraha-maso Mampiahiahy i Meksika

GV Mpisolovava  08 Marsa 2012

Nametraka lalàna fanaraha-maso ankehitriny ny mpanao lalàna Meksikana , izay nanome fahafahana maimaim-poana tsy ilàna didy avy amin'ny fitsarana ny mpitandro filaminana hiditra amin'ny fanarahana ny misy ny olona iray ara-jeografika. Saika ny maro mihitsy ny nanaiky tanteraka io volavolan-dalàna io tamin'ny vato mpomba 315, mpanohitra 6 , ary tsy naneho hevitra 7. Nalefa tany amin'ny filoha izany mba ho ankatoaviny.