· Aogositra, 2011

Tantara mikasika ny Meksika tamin'ny Aogositra, 2011

Fetiben'ny Bilaogy: Meksika – Midradradràdra Ny Herisetra

  30 Aogositra 2011

Ny Fetiben'ny Bilaogy 2011 nataonay voalohany dia nitondra ny lohahevitra hoe "Meksika - Vahoaka, Herisetra ary Bilaogy". Ao anatin'ny ampahany voalohany amin'ny famintinana farany, arantinay ny fihevitr'ireo Meksikana mpitoraka bilaogy momba ireo tranganà herisetra nitranga taloha tao amin'ny fireneny sy ny fomba andraisan-dry zareo izany ary anehoany ny fangirifiriany rehefa mahadòna azy ireo ilay herisetra.

Meksika : Fankalazana ny faha 100 taonan'i Cantinflas

  27 Aogositra 2011

Ity volana Aogositra ity i Meksika no mankalaza ny zato taona nahaterahan'i Mario Moreno mpanao hatsikana, diso fantatra amin'ny hoe Cantinflas . Any Meksika, ary manerana an'i Amerika Latina, Cantinflas dia fantatra ho mpilalao lehibe ary iray amin'ireo mpilalao hatsikana tena be mpitia indrindra any Meksika.Cantinflas no nisolo tena ny ankolafy mahantra ao Meksika. Vitany ny nisarika ny sain'ny olona handinika ny tsy fitoviana eo amin'ny mahantra sy ny manankarena taminà fomba tsy nanam-paharoa.

Fetiben'ny Bilaogy: Meksika – Vahoaka, Herisetra ary Bilaogy

  09 Aogositra 2011

Ny Global Voices amin'ny teny Espaniola dia faly manolotra ny andiany vaova amin'ny Fetin'ny Bilaoginy, izay hifantoka amin'ireo mpitoraka bilaogy sy Aterineto avy any Meksika, manaraka ny lohahevitra "Meksika: Vahoaka, Herisetra ary Bilaogy." Jereo ny fomba, ny fotoana sy ny toerana ahafahanao mandray anjara na meteza ho tarihan'ity lahatsoratra ity.