· Jolay, 2011

Tantara mikasika ny Meksika tamin'ny Jolay, 2011

Lahatsary: Tortillas, Chapatis, Mofo Sy Maro Hafa Manerana Izao Tontolo Izao

Betsaka amin'ireo kolontsaina no mampiaraka ny sakafony amin-javatra vita avy amin'ny voamaina; mofo, biskoitra sy karaza-mofo nahandroina tamin'ny entona no tena isan'ny sakafon'ny olna amin'ny toerana maro manerana izao tontolo izao. Androany isika dia hitsidika mpiangaly sy mpahandro mba hijery ny fomba fikarakaran-dry zareo sy fanaovany ny sakafo fanomeny ny fianakaviany.

E Day: Mamantatra NyTeny Ankafizin'ireo Olo-malaza

  16 Jolay 2011

Inona no zavatra itovian'ny mpihira Shakira, ny mpilalao sarimihetsika Gael Garcia Bernal, i sefo Ferran Adria ary ilay mpanoratra Mario Vargas Llosa? Izy ireo dia samy mpikambana ao amin'ilay vondron'ireo olo-malaza 30 nizara tamin'ny alalan'ny lahatsary ireo teny tena tian'izy ireo amin'ny teny Espaniola mba ho isan'ny fankalazana ny 'E Day' nokarakarain'ny Fianarana Ambony Cervantes.

Meksika: Fanehoan-kevitra Taorian'ny Fifidianana Tao Meksika

  16 Jolay 2011

Ny 3 jolay 2011, nandeha nandatsa-bato ireo mponin'i Meksika hifidy izay mety ho Governora manaraka, ny tambajotram-piarahamonina sy ireo filazam-baovaon'olon-tsotra no nampiasaina hifanakalozan-kevitra itaterana indrindra ny hevitra samihafa mikasika ny fizotry ny fifidianana, fanampin'izany ny antony sy ny vokatry ny fandresen'ny kandidàn'i PRI Eruviel Ávila.

Arzantina: Mpamoron-kira Facundo Cabral Nisy Namono Tao Goatemala

  12 Jolay 2011

Facundo Cabral no ha muerto, se inmortalizó Fiorella FM (@superfiore) Tsy maty i Facundo Cabral , maharitra mandrakizay ny lazany… Fiorella FM (@superfiore) Ny marainan'ny Asabotsy 9 Jolay,  nisy namono tao Goatemalà ilay mpamoron-kira malaza Facundo Cabral. Namoaka vaovao ahitana ity fehezanteny manaraka ity ny bilaogy Facundo Cabral: Facundo Cabral murió baleado...