· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Meksika tamin'ny Marsa, 2011

Hollaback!Fampiasaina finday hisorohana ny herisetra eny an-dalambe

Tranga tsy mbola fahita tany aloha ahafahana mampitsahatra herisetra ara-nofo eny an-dalam-be ny fisian'io "fipoahana teknolojia teo amin'ny finday io". Namporisika ny vehivavy manerana izao tontolo izao mba hampiasa an'ireo fitaovana eo am-pelantanan''izy ireo ireo io tetikasa io mba ahafahan'izy ireo mizara ny tantarany, manao tatitra sy mamaritra ny toerana nitrangan'izany toe-javatra izany.

Meksika: Miteraka fisahotahana ny mety ho fanasivanana fanadihadiana

  06 Marsa 2011

Ny mpitsara Meksikana iray dia nibaiko ireo teatra hampiato mandritra ny fotoana voafetra ny fandefasana ilay fanadihadiana Meksikana malaza Presunto Culpable [es] (Voalaza fa Meloka). Ny mpanatontosa ilay horonantsary, tao aminà fanambarana navoaka tao amin'ny vohikalany [es], dia manambara fa ho tohizana ny fandefasana ny fanadihadiana raha tsy maharay didy avy amin'ny governemanta na ny fitsarana ry zareo. Miadihevitra mavitrika momba izany ny tontolon'ny blaogy Meksikana, ary mifantoka indrindra amin'ny fanivànana sy fahalalahana maneho hevitra.

Meksika: Raharaha fakàna an-keriny niantraika tamin'ny fifandraisana ara-diplaomatika amin'i Frantsa.

  01 Marsa 2011

Meksika sy Frantsa  dia manana olana lehibe ara-pifandraisana diplaomatika noho ny fanamelohana ny fakana an-keriny natao-na teratany Frantsay tao Meksika.  Florence Cassez no anarany, ary voasambotra tamin'ny taona 2006 izy, nampangaina ho nanao fakana ankeriny ary voasazy 60 taona an-trano-maizina. Ny sakaizan'i Cassez dia mpitarika andian-jiolahy antsoina hoe “Los Zodiacos” (midika...