· Jolay, 2009

Tantara mikasika ny Meksika tamin'ny Jolay, 2009

Meksika: Tsy fahampian-drano mahakasika mponina hatramin’ny 2 tapitrisa

  14 Jolay 2009

Efa ho 2 tapitrisa izao ny olona voakasik’ilay fihenan’ny famatsian-drano tsy ela akory izay tao amin’ny lemak’i Meksika. Ny Cutzamala System, izay mandrindra ny 20% amin’ny rano fisotro madio ho an’ilay lemaka, dia tsy miasa araka ny tokony ho izy ary tsy afaka mamatsy ny faritra misy azy: distrika 10 ao amin’ny Distrika Federaly ary fiadidiana tanàna 13 ao amin’ny Firenen’i Meksika. Mahakasika olona maro ity tsy fahampian-drano ity isaky ny faran'ny herinandro mandritry ny fotoana tsy voafetra.