GlobalVoices anaty

Meksika

Tahiry Firenena · 117 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i Meksika

01/06/2013

TPP: Loza Goavana Mananontanona Ny Aterineto Erantany Hatramin'ny ACTA?

Tohin'ny lahatsoratra GV Mpisolovava

Hivory mba handinika ilay fifanarahana ara-barotra Fiaraha-miombon’antoka manerana an’i Pasifika (Trans-Pacific Partnership-TPP) i Etazonia sy ireo fanjakana folo manodidina an’i Pasifika. Hatrany am-boalohany dia nafenina io fivoriana momba ny fifanarahana io, saingy mifototra amin’ilay taratasy niparitaka sy ny tsy maha-demokratika io rafitra io dia manana ny antony rehetra tokony hanairana ny mikasika ny zon’ny mpamorona voarakitra ao anatin’io fifanarahana ara-barotra iraisam-pirenena io ireo mpandray anjara rehetra.

19/05/2013

Hafatry Ny Peroviana Ho An'ny Filoha: Tsy Azo Ifampiraharahana Ny Zonay Ao Anaty Aterineto

Tohin'ny lahatsoratra GV Mpisolovava

Ny nahatonga ireo tambajotranà ONG Peroviana fanta-daza, isan'izany ny RedGE sy ny Hiperderecho, hanao fanentanana hitaiana amin'ny Filoha Ollanta Humala Tasso hametraka fetra maza sy tsy azo hifampiraharahana, mba hahafahana matoky fa voahaja ny zo fototry ny Peroviana ao anatin'ny TPP. Mety hanamafy kokoa ny endriky ny lalàna Peroviana momba ny fizaka-manana izay miteraka resabe izy io ary hametra ny fahafahan'ny Kôngresy Peroviana hiditra amin'ny fanovàna ny lalàna nasionaly mba hamaliana ny filàn'ireo IP izay miovaova sy ny zava-misy iainan'ireo olom-pirenena Peroviana ary ny sehatry ny teknolojian'izy ireo izay an-dàlam-pitomboana.

18/05/2013

Video Lahatsoratra
Mitokona Tsy Mihinan-kanina Ny Renin'ireo Meksikàna Tsy Hita

Tohin'ny lahatsoratra

Ireo reny sy mpikambana hafa avy amin'ny fianakavian'ireo tsy hita any Mexico dia nanao fitokonana tsy hihinanan-kanina nanomboka ny 9 May mba hangataka amin'ny governemanta hanatanteraka ny fampanantenana nomeny mikasika ny fikarohana ireo malalany.

08/05/2013

Fipoahana Etona Fandrehitra Nahafatesana 19 Farafahakeliny tao Meksika

Tohin'ny lahatsoratra

Nahafatesana olona 19 sy naharatrana olona 36 farafahakeliny ny fipoahana fitoerana gazy iray araka ny tatitra farany. Ny maraimben'ny 7 mey 2013 no nitrangan'izany fipoahana izany tao Ecatepec de Morelos County (Fanjakan'i Mexico). Ao anatin'ny...

29/04/2013

Niakatra Ny Tahan'ny Famonoana Vehivavy Ao Meksika

Tohin'ny lahatsoratra

Violeta, tovovavy mpianatra 18 taona no hita faty [es] tao amin'ny làlan-tany ao amin'ny Faritra Chiapas, nahitana dian-dratra ny vatany. Nandritra izany ihany, tao amin'ny Faritra Guanajuato, fatim-behivavy iray antsoina hoe Olga...

21/04/2013

Meksika: Feo Hafa Nampanginina [NOHAVAOZINA]

Tohin'ny lahatsoratra GV Mpisolovava

Tamin'ny 7 avrily lasa teo, nisy mpiserasera amin'ny media sosialy fantatra fotsiny amin'ny hoe Valor Por Tamaulipas nanambara ny fikasany [es] hanakatona ny kaonty Facebook sy Twitter izay lasa nalaza ho loharanom-baovao momba ny herisetran'ny [trafika-na] rongony any avaratr'i Meksika.

17/03/2013

Vive Latino 2013: Fahatezàny, Tarika Shiliana Ary Feon'ny Vehivavy

Tohin'ny lahatsoratra

Hahitana ny fandraisana anjaran'i Blur, Los Fabulosos Cadillacs, Los Auténticos Decadentes ary ny Panteón Rococó, ankoatra ireo hafa ny fetiben'ny "Vive Latino 2013" (Meksika) . Manolotra anao fomba fijery telo momba izany fetibe izany ny Global Voices.

14/02/2013

Amerika Latina: Mametra-pialàna Ny Papa – Manaraka Eny Ny Fanantenana, Hanihany Ary Fitadiavana Tombony

Tohin'ny lahatsoratra

Nanampoka an'izao tontolo izao ilay fanambaràna ny fametraham-pialàn'ny Papa Benedict XVI avy amin'ny fiketrahana masina, na, ny marimarina kokoa, ny ny Pontifikà Faratampon'ny Fiangonana Katolika, tamin'ny Alatsinainy 11 Febroary 2013.

12/02/2013

Media Sosialy Ao Meksika sy ny Fitiavana Revolisiona

Tohin'ny lahatsoratra

Manerantany, hahita “Meksika isan-karazany” amin'ny vaovao ianao: ny paradisan'ny fety-tora-pasika-masoandro-tequila, firenena miady amin'ny rongony – mampidi-doza sy firenen'ny mpanakanto- mpihira vako-drazana-maroloko miaraka amin'ny  sakafo mafilotra mila fantarina. Firenena midadasika sy...

05/02/2013

Meksika: Hagagana Sy Ahiahy Taorian'ny Fipoahan'ny Foiben-toeran'ny Pemex

Tohin'ny lahatsoratra

Fara-fahakeliny olona 14 no maty ary 80 no naratra, hatramin'izao dia ireo no vokatra azo tamin'ny fipoahana mafy namely ilay orinasam-panjakana Meksikana momba ny solitany (Pemex) tamin'ny Alakamisy faha 31 Janoary 2013 teo tany Mexico City. Nangoninay eto ireo hevitry ny sasany amin'ireo mpiserasera amin'ny aternineto.

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny