GlobalVoices anaty

Honduras

Tahiry Firenena · 18 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i Honduras

20/10/2012

Manohy Ny Diany Ho Any Amin'ny Fiadiana Ny Amboara Eran-tany 2014 i Panamà, i Honduras ary i Costa Rica

Tohin'ny lahatsoratra

Tafakatra amin'ny dingana famaranana ao amin'ny Concacaf i Panama, i Honduras ary i Costa Rica, fifanintsanana hankanesana any amin'ny fiadiana ny Amboara Eran-tany FIFA 2014 any Brezila. Ireo mpitia baolina kitra dia niady hevitra tamin'ny tambajotra sosialy samy hafa momba ireo lalao fifnanintsanana nahafinaritra.

11/08/2012

Manomboka Mametraka Ny Toerany Amin'ilay Lalao Olaimpika Ao Londona i Amerika Afovoany

Tohin'ny lahatsoratra

Herinandro taorian'ny fanokafana ny Lalao Olaimpika tao Londona, i Amerika Afovoany dia saika nahazo medaly iray kanefa nisy niavaka ihany. Vavolombelon'izany ireo tambajotra sosialy ary milazalaza amintsika ny mombamomba ny zava-bitan'ireo avy any Goatemalà, Honduras, ary Nikaragoa.

08/05/2012

Video Lahatsoratra
Laahatsarin'ny Voalohan'ny May: Diabe, Fanehoan-kery Sy Hetsi-panoherana Nanerana Ny Tany

Tohin'ny lahatsoratra

Manerana tanana maro eran'izao tontolo izao, nidina an-dalambe ny olona mba hanao diabe sy hankalaza ny Andro Erantany ho an'ny Mpiasa. Lahatsary avy amin'ny The Real News no hitondra antsika hitety ny fahitàna izany andro izany nanerana izao tontolo izao.

30/03/2012

‘Mujeres Construyendo': Fampivoarana Ny Vehivavy, Bilaogy Iray Amin'ny Fotoana Iray

Tohin'ny lahatsoratra

Mujeres Construyendo, sehatra voalohany ho an'ireo vehivavy bilaogera amin'ny teny Espaniola dia te-hamadika ireo vehivavy miteny Espaniola ho lasa mpamorona votoaty ety anaty aterineto. Mitafa amin'ny mpamorona azy io izahay, Claudia Calvin, mikasika ny firoboroboan'ny vondrom-piarahamonin'ny bilaogera.

25/03/2012

Sary Lahatsoratra
Honduras : Ao Sabanagrande, Vazivazy Tsy Fanao Intsony Ny Fanabarabaràna Polisy

Tohin'ny lahatsoratra

Teo anivon'ny fiampangana maro nahazo ny polisy mikasika ny kolikoly ataon'izy ireo ao Honduras, hetsika ara-kolotoraly nentim-paharazana fanao isan-taona ao an-tananàn'i Sabanagrande,no nampiakatra ny fahatezerana teo amin'ireo olon-tsotra sy ny polisy. Antokonà mponina maro no namaly ny famoretana tsy misy antony nataon'ireo polisy tamin'ny alalan'ny fananganana Komity Miaro ny Zon'olombelona voalohany tao an-tananàn'i Sabanagrande. Ilay bilaogera sady poeta Fabricio Estrada dia nizara ilay tantara tao amin'ny bilaoginy.

24/02/2012

Video Lahatsoratra
Brezila: Rafitra Famonjàna Tsy Lavorary Any Amerika Latina

Tohin'ny lahatsoratra

Tao amin'ny Brazilian Sun nisy fanadihadiana iray momba ny toetoetry ny rafitra famonjana Breziliana amin'izao fotoana. Taorian'ny zava-doza nitranga nateraky ny afo tany amin'ny fonja tao Honduras nahafaty mpiara-mifonja 350, ny fandosirana nitranga tany amin'ny fonja tao Peru ary ny korontana tany amin'ny fonja tao Mexican, tena ilaina mihitsy ny mitondra vahaolana ho an'ity toe-draharaha ity.

26/01/2012

Torolàlana momba ny Crowdsourcing ao Amerika Latina

Tohin'ny lahatsoratra

Crowdsourcing, antsoina ihany koa hoe “fiaraha-miasan'ny besinimaro,” dia tetikasa ahafahan'ireo rehetra afaka miserasera mampita fampahafantarana  na vaovao mahasoa ho an'ny rehetra. Ao Amerika Latina, nitsangana ny tetikasa crowdsourcing marobeho fanomezana fahafaham-po...

09/01/2012

Video Lahatsoratra
Amerika Afovoany: Navoakan'ny Tetikasa LibreBus Ny Fanadihadiana Notontosainy

Tohin'ny lahatsoratra

Nandritra ny volana Mey 2011, nitety ny araben'ny firenena dimy ao Amerika Afovoany mitady kolontsaina sy fahalalàna malalaka ifampizaran'ireo mpankafy izany ny LibreBus [es]. Mivoaka ary azo jerena an-tserasera ankehitriny ny lahatsarim-panadihadiana nampiseho ny atrikasa isan-karazany nandritra ny fitetezam-paritra.

20/10/2011

Video Lahatsoratra
Lahatsary: Anaty Rano i Amerika Afovoany

Tohin'ny lahatsoratra

Nitondra oram-batravatra sy orana naharitra andro maro nanerana an'i Amerika Afovoany ilay andro ratsy 12-E, niteraka tondra-drano, fanakatonana ireo làlana sy lalambe migodana ary famindràna toerana olona. Amin'ny alalan'ity lahatsoratra ity no ahitantsika ireo fiantraikan'ny ranon'orambe nanerana ireo firenena maro ao Amerika Afovoany

16/10/2011

Video Lahatsoratra
Andro Iraisam-pirenena Ho An'ny Fanasàna Tànana: Manova Fomba Amin'ny Alàlan'ny Hira sy Dihy

Tohin'ny lahatsoratra

Fantatrao ve ny fomba hanasàna tsara ny tànanao? Avy amin'ny alàlan'ireo hira sy dihy, mampianatra ireo hafa ny fomba tena mety hanasàna ny tànany ireo olona manerana ny tany mba hampiroboroboana ny fahasalamana. Ny 15 Oktobra no Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fanasana tanana ary miaraka teny famantarana Manavotra Aina ny Tanàna Madio , manisy tsindrim-peo amina hetsika tsotra izay manampy amin'ny fanenana ny fahafatesan'ny ankizy noho ireo aretina azo sorohana izany.

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny