GlobalVoices anaty

Goatemalà

Tahiry Firenena · 37 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i Goatemalà

19/05/2013

Efraín Ríos Montt Voaheloka Ho Namono Olona Sy Nanao Heloka Bevava Tamin'ny Olombelona

Tohin'ny lahatsoratra

Voaheloka ho namono olona sy nanao heloka bevava tamin'ny olombelona i Efraín Ríos Montt mpanao didy jadona taloha tany Goatemalà. Voaheloka 80 taona an-tranomaizina ilay Jeneraly 86 taona. Io didim-pitsaràna ohatra io no mpisava làlana ho an'ireo tsy fifanarahana rehetra mbola misy ankehitriny eto ambonin'ny tany..

23/12/2012

Mpitari-Pivavahana Mayana Noraràna tsy Hiditra ny Toera-Panompoany Tany Goatemalà

Tohin'ny lahatsoratra

Nanomboka ny lanonana hankalazana ny 13 Baktun - tsingerina farany ao amin'ny fanisan'andro Maya izay noheverina hifarana tamin'ny zoma 21 desambra 2012 i Goatemalà, misy ny fon'ny kolontsaina Maya. Saingy soasakatsakana sy voazimbazimba ny fomba amam-panaon'ny vahoaka Maya

20/11/2012

Sary Lahatsoratra
Fitorahana Bilaogy Ny Fahavoazana Taorian'ny Horohorontany tao Huitán, Goatemala

Tohin'ny lahatsoratra Rising Voices

Ny bilaogin'ny Trano Famakiambokim-bahoaka Mi Nuevo Mundo (Ny tontoloko vaovao) avy amin'ny tanàna Huitán dia nizara sary ary nitatitra ny fahavoazana taorian'ilay horohorontany nanana maridrefy 7.4 izay nandona ny morontsiraka Pasifika Goatemala ny 07 Novambra 2012.

11/08/2012

Manomboka Mametraka Ny Toerany Amin'ilay Lalao Olaimpika Ao Londona i Amerika Afovoany

Tohin'ny lahatsoratra

Herinandro taorian'ny fanokafana ny Lalao Olaimpika tao Londona, i Amerika Afovoany dia saika nahazo medaly iray kanefa nisy niavaka ihany. Vavolombelon'izany ireo tambajotra sosialy ary milazalaza amintsika ny mombamomba ny zava-bitan'ireo avy any Goatemalà, Honduras, ary Nikaragoa.

06/08/2012

Mankalaza Ny Medaly Volafotsy Azon'i Erick Barrondo Tamin'ny Dia An-tongotra i Goatemala

Tohin'ny lahatsoratra

Mankalaza ny fandresena voalohany azony tamin'ny Lalao Olaimpika fanao rehefa Lohataona tamin'ny Londona 2012 i Goatemala. Azon'i Erick Barrondo Garcia ny medaly volafotsy tamin'ny fandehanana an-tongotra 20km ho an'ny Lehilahy. Vao nivoaka ny vaovao, ireo mpampiasa ny media sosialy, isan'izany ireo mpanao politika sy olo-manan-kaja hafa, dia nitehaka sy niarahaba ny fandresena mendrika azon'i Barrondo. Barrondo dia avy amin'ny faritra tena mahantra indrindra ao amin'ny firenena izay tena mizaka manokana ny vokatry ny adin'ny zava-mahadomelina

28/05/2012

Video Lahatsoratra
Andian-dahatsary: Miady Amin'ny Fanilikilihana ny Fitenin-Janatany

Ny tantaran’ny mpitolona sy ny fiarahamonina indizeny manerantany izay mijoro manohitra ny fanavakavahana sy manome vahaolana hanomezan-danja indray ny fitenin-drenin’ny indizeny no hoentin’ny andian-dahatsary Al Jazeera's Living the Language (Ny fomba iainan’i Al Jazeera ny Fiteniny) ho antsika.

31/03/2012

Sary Lahatsoratra
Goatemalà: Diaben'ny Tambanivohitra Sy Ny Vazimba Teratany Hiarovana ny Taniny

Tohin'ny lahatsoratra

An'arivony ireo Vazimba Teratany sy campesinos (tambanivohitra) goatemalteka no nandray anjara tamin'ny diabe naharitra enina andro hiarovana ny taniny, hanoherana ny famindra-toerana, ary miantso ny ijerena ny lohahevitra hafa misy...

30/03/2012

‘Mujeres Construyendo': Fampivoarana Ny Vehivavy, Bilaogy Iray Amin'ny Fotoana Iray

Tohin'ny lahatsoratra

Mujeres Construyendo, sehatra voalohany ho an'ireo vehivavy bilaogera amin'ny teny Espaniola dia te-hamadika ireo vehivavy miteny Espaniola ho lasa mpamorona votoaty ety anaty aterineto. Mitafa amin'ny mpamorona azy io izahay, Claudia Calvin, mikasika ny firoboroboan'ny vondrom-piarahamonin'ny bilaogera.

07/03/2012

Video Lahatsoratra
Goatemala: Famporisihana Ireo Vondrom-piarahamonina Amin'ny Alalan'ny Milina Voizin-tongotra

Tohin'ny lahatsoratra

Maya Pedal dia fikambanana iray ao Goatemala izay manokan-tena amin'ny fitondràna fampandrosoana amin'ny alalan'ireo bisikilety efa avy nampiasaina. Ireo izay mbola azon-dry zareo tsaboina, dia mahazo aina vaovao indray satria lafo ny fitaovam-pifamoivoizana eny an'arabe ao Goatemanala ary ireo izay tsy ho azo ampiasaina intsony kosa dia avadika ho milina voizin-tongotra hanampy amin'ny fiainana andavanandro tahaka ny fisintonana rano, fiotazana popocorn, fitotoana koba, fanafangaroana voanjavatra ary fanamboarana tafo taila.

28/02/2012

Goatemalà : Ilay Mpanao Jadona Teo Aloha Efrain Rios Montt Nohadihadiana Manokana Mikasika Ny Famonoana Ny Mpiray Tanindrazana

Tohin'ny lahatsoratra

Ny 26 Janoary, Mpitsara iray no namoaka fa ilay Filoha de facto teo aloha Efrain Rios Montt dia hiatrika fitsarana noho ny Famonoana ny mpiray tanindrazana; tamin'io andro io ihany, ny Kaongresy ao Goatemala dia nanao sonia ny "Fifanarahan'ny Fitsarana Heloka Bevava Iraisam-pirenena natao tany Roma", izay manome fanantenana ireo mponina ao Goatemala ny amin'ny hoe ny fikatsahan'izy ireo ny fitsarana tetezamita dia eo an-dalampandrosona mankamin'ny làlana mahitsy.

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny