Tantara mikasika ny El Salvador
Mba hanomezana hery ireo olona ‘trans': ny fomba nataon'ny Salvadoariàna iray mpanakanto mba hanomezana aina vao ny teny iray azo lazaina ho efa saika fongana
Amin'ny alàlan'ny fiteny sy ny taokanto, ankalazain'ny tarika iray ahitàna olona manana fanahy roa ireo vazimba teratany amin'ny maha-olona 'trans' azy, sy ny razamben'izy ireny
Mitolona hanana zo ho afaka mifidy ireo pelaka any Salvadaoro
Tarika iray ahitàna olona 14 avy amin'ny vondrompiarahamonin'ireo LGBTQI no manofana ireo tomponandraikitry ny biraom-pifidianana ao Salvadaoro mba hiadiana amin'ny fanavakavahana mandritra ny androm-pifidianana.
Salvadaoro: Tsy mihena ny fitiavan'ny vahoaka ny filoha Bukele na teo aza ny fiampangana azy ho manao tsy refesimandidy
Handresy amin'ireo fifidianana solombavambahoaka hoavy eo ny antokon'i Bukele hoy ny tsapahevitra natao - vaovao tsara ho an'ireo manohana an'i Bukele, fa ratsy kosa ho an'ireo mihevitra azy ho mpanao tsy refesimandidy
Tetikasa salvadôriàna maneho ireo fàka afrikàna « miafina» niavian'ny fiteny mahazatra ao Amerika Latina
Ho fankalazana ny iray volana natao ho an'ireo manana razambe afrikàna ao Salvadaoro, noravahanay sary ny sasantsasany amin'ireo teny manana fiaviana afrikàna ao anatin'ny fiteny espaniôla salvadôriàna
Salvadôriana 1 amin'ny 10 no tratry ny aretina mitaiza ny voa (MRC), ka isan'ireny ny ankizy
Maro dia maro ny olona erantany, sy ao Salvador, no tratry ny aretina mitaiza mahazo ny voa (MRC) noho izy ireo ianjadian'ny vokatra simika fampiasa amin'ny fambolena ary ny tsy fahampian-drano.
Misento kely amin'ny amin'ny fanitarana ny Satam-piarovana Vonjimaika (TPS) ny Salvadôreanina mpifindramonina ao Etazonia
"Mampatahotra ahy mandrakariva ny hifaranan'ny programa TPS mialoha ny ahitako lalana hahatonga ahy ho mponina maharitra."
Mandritra ny valanaretina, antenain'i El Salvador ny hanome aina vao ny sehatry ny fizahantany ampiarahana amin'ny fanovàna endrika ny vakoka nentindrazana
"Mba hamerenana indray sy hireharehàna amin'ny maripanondroana maha-Salvadoriàna, atombotsika androany ny fandefasana ny marika El Salvador fitodian'ireo mpihazatany, nalaina avy amin'ny asakanton'i Fernando Llort."
Salvadaoreanina anarivony miaritra COVID-19 tsy manan-drano isasana tanana
"Tena tsy afa-po mihitsy aho sady tezitra ka mihevitra ny handao an'i El Salvador raha vao tapitra ity areti-mandrindrana ity "
Amin'ny maha-Salvadoreana ahy, marika fiainana azo antoka i Etazonia ho ahy saingy rava izany ankehitriny
Mampisalasala sy mahavery fanantenana ho an'ireo mpifindra monina toa ahy ny fanavaozana tsy misy fitsaharana ny rafitry ny fifindramonina any Etazonia eo ambany fitantanan'i Trump.
Ho an'ireo mainty sy indizeny ao Amerika Afovoany, Misy Vidiny Ny ain'ny Mainty (Black Lives Matter)
"Fanavakavahana, rafitra mpanjakazaka sy mpamono, izany no namidin-dry zareo manerana ny tany lazainy ho toerana mendrika honenana indrindra eto an-tany.."