· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny El Salvador tamin'ny Novambra, 2012

Manohitra Ny Kolikoly Ny Tanora Ao Amerika Latina

  27 Novambra 2012

Mizara lahatsary iray i Andrea Arzaba izay hanadihadiany ireo tetikasa tarihan’ireo tanoran’i Amerika Latina ho amin’ny mangarahara sy ny fandraisana andraikitra. Nandray anjara tamin’ilay Sehatra Fiadian-kevitry ny Tanora Eran-tany Manohitra Ny Kolikoly Andiany Fahatelo,nokarakarain’ny Tambajotran’ny Tanora Eran-tany Manohitra Ny Kolikoly (GYAC) any Brasilia, Brezila ny 5 sy 6 Novambra teo.