· Aogositra, 2012

Tantara mikasika ny Ekoatora tamin'ny Aogositra, 2012

Manome Fialokalofana An'i Julian Assange Mpanorina Ny WikiLeaks i Ekoatera

  17 Aogositra 2012

Taorian'ny fiandrasana ela, nanambara i Ekoatera fa hanome fialofana ara-politika an'i Julian Assange mpanorina ny WikiLeaks. Ao amin'ny masoivohon'i Ekoatera ao Londona i Assange amin'izao fotoana. Naresaka be ny Twitter niaraka tamin'ireo fanehoan-kevitry ny olon-tsotra sy ireo mpifanandrina mivantana amin'ity raharaha ity, toa ny WikiLeaks, Julian Assange, ary ny Birao Britanika misahana ny Raharaham-Bahiny sy ny Tany mampiasa na miteny Anglisy "Commonwealth".