GlobalVoices anaty

Ekoatera

Tahiry Firenena · 39 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i Ekoatera

11/03/2013

Ekoatora: Herintaona Izay No Lasa Hatramin'ny Nitànana An-tranomaizina An'ireo '10 Avy Any Luluncoto’

Tohin'ny lahatsoratra

Herintaona izao no lasa hatramin'ny nitànana ireo "10 avy any Luluncoto", olom-pirenena voampanga ho nikasa hanao asa fampihorohoroana. Fihetsiketsehana maro no natao teo ivelan'ny fonjam-behivavy Inca, tany avaratr'i Quito, ary miandry ny famoahana haingana an'i Abigaíl Heras sy Cristina Campaña, roa amin'ireo voampanga izay efa nandany herintaona an-tranomaizina ny vahoaka.

07/03/2013

Telo Andro Fisaonam-pirenena Ao Ekoatera Taorian'ny Fahafatesan'i Chávez

Tohin'ny lahatsoratra

Namoaka didim-panjakana telo andro fisaonam-pirenena ny Filohan'i Ekoatera, Rafael Correa (@MashiRafael) [es], taorian'ny fahafatesan’ [mg] ny filohan'i Venezoelà, Hugo Chávez. Nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety notanterahina tao amin'ny lapan'i Carondelet, nilaza...

06/03/2013

Ekoatora: Tezitra Noho Ny Fahatapahan'ny Famatsian-drano Ny Mponina Ao Loja

Tohin'ny lahatsoratra

Anaty fepetra amin'ny tany misahotaka ny faritanin'i Loja amin'izao fotoana izao: efa ho herinandro iray mahery, tanàna mpifanilo-bodirindrina efa ho 60 mahery no tsy manana rano madio fisotro, noho ny olana mianjady amin'ny fantsona goavana famatsiana rano. Naneho ny tsy hafaliany mikasika azy io sy ireo olana hafa any amin'ny faritra ny mponina ao amin'ilay faritany , tamin'ny fampiasana ny tenifototra #Loxaindignada sy #Lojaindignada [es, Loja tezitra].

20/02/2013

Fifidianana Tao Ekoatera: Voafidy Ho Filoha Indray i Rafael Correa

Tohin'ny lahatsoratra

Tamin'ny Alahady 17 Febroary 2013, olom-pirenena Ekoateriana 11.6 tapitrisa no nandeha nandatsa-bato, nanatontosa ny zony hifidy. Nofidiana tamin'izany andro izany, ny filoham-pirenena sy ny filoha lefitra, solontena 137 avy ao...

24/01/2013

Sary Lahatsoratra Video Lahatsoratra
Ekoatera: Ny Raharaha ireo 10 avy any Luluncoto

Tohin'ny lahatsoratra

Fadua Tapia, Cristina Campaña, Abigaíl Heras, Royce Gómez, Pablo Castro, Santiago Gallegos, Víctor Vinueza, Luis Merchán, Héctor Estupiñán ary César Zambrano ireo olona 10 avy ao Luluncoto [es] izao notazonina...

09/01/2013

Ekoatora: Lahatsary Fanadihadiana “Zanaky Ny Jaguar” Nahazo Ny Loka National Geographic

Tohin'ny lahatsoratra

"Children of the Jaguar" "Zanaky ny Jaguar" dia fanadihadiana velona manampy antsika hisaina mikasika ny zava-doza aterak'ireo orinasa maro rantsana erantany izay miezaka ny hitrandraka ny tahirin-tsolika ambanin'ny tany ao amin'ny Ala Amazona ao Ekoatora sy ny tolona tsy miato ataon'ireo mponina any an-toerana hiarovany ny tanin'izy ireo.

08/01/2013

Sary Lahatsoratra
Ekoatora: Mandà Tsy Hitokana Vala Famokarana Herinaratra Ahodin-drivotra Ny Filoha

Tohin'ny lahatsoratra

Nisafidy ny tsy hanaisotra ny voalin'ilay vala famokarana herinaratra ahodin-drivotra ao Villonaco ny Filoha Ekoatoriana, izay heverina fa mbola tsy vita hatramin'ny farany. Manana ireo fanehoan-kevitry ny mponina ao Loja i Alison Martínez.

05/12/2012

Noafahana ilay Bilaogera Ekoateriana Paúl Moreno

Tohin'ny lahatsoratra

Ny folakandron'ny 3 desambra i Paúl Moreno, ilay Bilaogera Ekoateriana nosamborina fa hoe niditra an-tsokosoko amin'ny firafitry ny solosaina sy ny antonta-kevitra ao aminy no noafahana. Noporofoin'i Moreno manko fa tsy manana ny firafi-piarovana sahaza azy ny tranonkalan'ny governemanta datoseguro.gov.ec [es] hahazoana antontan-kevitra momba ny olom-pireneny.

28/11/2012

Sary Lahatsoratra
Mankalaza Ny Andro Iraisam-pirenena Hiadiana Amin'ny Herisetra Atao Amin'ny Tsy Mitovy Amin'ny Tena i Ekoatora

Tohin'ny lahatsoratra

Taminà hetsika ara-kolontsaina maro samihafa no nankalazan'i Ekoatora ny Andro iraisampirenena ho Fanafoanana ny Herisetra atao amin'ny vehivavy. Naneho hevitra mikasika izany koa ireo Ekoatoriana mpisera amin'ny aterineto ka isan'ireny ireo vehivavy marobe manerana ny firenena.

10/11/2012

Miady Amin'ny Herisetra Amin'ny Fanatanjahantena i Ekoatera

Tohin'ny lahatsoratra

‘Fanatanjahantena Tsy misy Herisetra ao Guayaquil’ no anaran'ilay fanentanana vaovao izay antenaina fa hanafoana ny herisetra amin'ny lalao baolina kitra sy eny an-kianja, taorian'ny fifandonana tamin'ny 4 Novambra teo amin'ny mpanohana...

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny