· Avrily, 2010

Tantara mikasika ny Repoblika Dominikana tamin'ny Avrily, 2010

Repoblika Dominikana: nandresy tamin’ny Carribean Series ny Leones

  10 Avrily 2010

Taorian’ny "baseball" fanao rehefa andro ririnina any amin’ny Repoblika Dominikana, izay nahitana ireo tarika roa lehibe mahazatra tsy tafita ho amin'ny lalao famaranana, ny Aguilas Cibaeñas (Cibao Eagles) sy ny Tigres de Licey (Licey Tigers), dia ny Leones del Escogido (Lion'ny Voafidy) no naka ny toeran'izy ireo, ekipa iray mpanao baseball izay nandrombaka ny amboara ny taona 1992, nandresy tamin'ny fifanintsanana anatiny ary nahazo ny toerana tamin’ny Caribbean Series. Nampiditra fiovana lehibe ara-pitantanana sy ara-drafitra ho an'ny taom-pilalaovana 2009-2010 ny Loenes avy ao Santo Domingo ary dia nahitam-bokatra izany.