Tantara mikasika ny Kiobà

Avy ao Kiobà, nampiasàna VPN

Ny Tetezana - The Bridge  17 Jolay 2021

Lesona azo tamin'ireo hetsipanoherana, “Tonga saina tamin'ny zavatra mitranga aho ary avy hatrany dia nihevitra fa, afaka minitra vitsy, mety ho tapaka ny tolotra aterineto eto Kiobà, na raha kely indrindra dia ny ao San Antonio de los Baños.”

Kiobà, Etazonia: Manitatra ny sampan'oliva ?

  07 Janoary 2021

Nanambara fanovana lehibe tamin'ny politikan'i Etazonia sasany ny fitondran'i Obama, natao “hanoloran-tanana ny vahoaka Kiobana hanohanana ny fanirian'izy ireo hamaritra malalaka ny hoavin'ny fireneny.” Na dia nanala ny famerana tamin'ny fivezivezena sy ny fandefasana vola aza ny fiovan'ny politika ary nanokatra làlana ho an'ny fanatsarana ny fifandraisan-davitra bebe kokoa tao amin'ny nosy dia misy ny bilaogera sasany manahy fa tsy lasa lavitra loatra io fepetra io....

(2009) Topimaso momba ny Vovonan'i Amerika

  18 Septambra 2020

Raha efa akaiky ny fanokafana ny Vovonan'i Amerika Fahadimy ahitana mpitondra miisa 34 avy amin'ny Ila Bolantany Andrefana hiara-midinika ny olana mifandraika amin'ny fanambinan'ny olombelona, ​​ny tontolo iainana lovainjafy ary ny fiarovana ny angovo, ary mazava ho azy ny krizy ara-bola manerantany dia nanohy nanara-maso akaiky ny fivoaran'izany ireo bilaogeran'ny renim-paritra.

Tsy laitran-doza ve ny ao Karaiba?

  12 Janoary 2020

Mpiakaroka roa — izay niaiky fa "tsy tonga lafatra ny fomba nampiasain-dry zareo" — no manosoka hevitra fa ireo fanjakana nosy no teorana azo antoka indrindra ho aloha raha sanatria tonga ny apôkalipsa. Fa handray ny rehetra ho tongasoa ve anefa ny Atsimo?

Kiobà sy Etazonia : latsabato hanaovana fahirano

  18 Novambra 2019

... tao amin'ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana, nofidian'ny maro an'isa ny fanaisorana ny fahirano ara-toekarena napetrak'i Etazonia efa ho dimy amby efapolo taona atao amin'i Kiobà ambany fitarihan'ireo kaominista. (…) Ary mba manao ahoana izao ireo FIFIDIANANA MALALAKA sy ny DEMAOKRASIA ?