GlobalVoices anaty

Kiobà

Tahiry Firenena · 69 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i Kiobà

15/03/2013

Guyana, Cuba: Habemus Papam, Saingy “Fa Iza Moa Izy”?

Tohin'ny lahatsoratra

Feno ny andro feno iny hatramin'ny nivoahan'ny setroka fotsy tamin'ny Lasapely Sixtine manamarika ny nandrasan'ny Katolika manerana ny tany: Habemus Papam [mg]. Araka ny hita miharihary, ny Fihidiana an-trano nataon'ny Kardinaly no nifidianana ny papa Amerikana Latina sady zezoita voalohany indrindra hatramin'izay...saingy nisy bilaogera iray nanontany hoe , "Fa iza moa izy"?

07/03/2013

Misaona Ny Fahafatesan'ny Filoha Chávez ny Kiobàna

Tohin'ny lahatsoratra

Lahatsoratra [es] nosoratan'ny La Redacción IPS Cuba, navoaka voalohany tao amin'ny Sampan-gazety IPS-Inter Olom-pirenena marobe no naneho ny fahakiviny sy ny alahelony tamin'ny alalan'ny media sosialy noho ny fahafatesan'i Hugo Chávez....

25/02/2013

Sary Lahatsoratra Video Lahatsoratra
Niteraka Resabe Ny Fitetezam-pirenena Nataon'ilay Bilaogera Kiobàna Yoani Sánchez

Tohin'ny lahatsoratra

Hatramin'ny taona 2004, sambany nandao an'i Kiobà ilay Bilaogera Kiobàna efa nahazo fankasitrahana Yani Sánchez tamin'ny Alahady lasa teo. Handeha hitsidika sy handray anjara amin'ny dinidinika (forum) any amin'ny oniversite,...

24/02/2013

Karaiba: Ho An'Ireo Mpitoraka Bilaogy Ny Andron'ny Mpifankatia

Tohin'ny lahatsoratra

Mihevitra ve ianao fa mahafantatra ny atao hoe fitiavana? Nampiasa ny Andron'ny Mpifankatia ho fomba hahafantarana izany ny mpitoraka bilaogy vitsivitsy avy any amin'ny faritra...

12/02/2013

Sary Lahatsoratra
Fanatanjahantena Sy Fampihavanam-Pirenena Ao Kiobà

Tohin'ny lahatsoratra

Ny fahatongavan'i José Ariel Contreras tao Cuba, vao herinandro iray monja izao, Kiobàna iray mpilalao "baseball" monina any Etazonia hatramin'ny 2002, mitàna ny toeran'ny mpanipy baolina, dia nanetsika ireo mponina tao, Pinar del Río, tanàna nahaterahany, ary koa ireo marobe mpankafy ny fanatanjahantena nasionalin'i Kiobà : baseball. Mitantara amintsika mikasika ity hetsika mampihetsi-po ity sy ny dikany ara-tantara sy ara-politika ho an'i Kiobà amin'izao fotoana i Elaine Díaz.

06/02/2013

Sary Lahatsoratra
Kiobàna Mpamokatra Sarimehitsika : Mandray An-Tànana ireo Teknolojia Nomerika

Tohin'ny lahatsoratra

Any Kiobà, efa manomboka mandray an-tànana ireo teknolojia vaovao ireo mpamokatra sarimihetsika sy ireo tale taty aoriana, izany dia mba hampihenàna ny fandaniana amin'ny famokarana ireo antsoina hoe 'effets audiovisuels' sy hitantarana ireo tantara izay mbola tsy niseho masoandro mihitsy.

23/01/2013

Sary Lahatsoratra
Richard Blanco: Poeta Latina Voalohany Tamin'ny Fianianan'ny Filoha Amerikana

Tohin'ny lahatsoratra

[Amin'ny teny anglisy avokoa ny rohy amin'ity lahatsoratra ity] Nankinin’ny filohan'i Etazonia, Barack Obama tamin'ilay poeta Richard Blanco (@rblancopoet), zanaka lahinà kiobàna mpifindra monina ny fanoratana ny tononkalo tamin'ny fianianana nataony. Izy no...

17/01/2013

Sary Lahatsoratra
Nahanton'ny Twitter Ny Kaontin'ny Encyclopedia Kiobàna “EcuRed”

Tohin'ny lahatsoratra

Nahanton'ny Twitter ny kaontin'ny [en] Encyclopedia Kiobana "Cubana EcuRed" araka ny fanambaràna iray nakarina tao amin'ny bilaogy ofisialin'ny tranonkala Ecured.

16/01/2013

Tsy Misy Fahazoan-dàlana Hivoaka: Miteny Ireo Kiobàna Any Am-pielezana

Tohin'ny lahatsoratra

aorian'ireo vinavina, nitranga ihany ilay izy nony farany. Nofoanan'ny governemanta Kiobàna ny filàna fahazoan-dàlana hivoaka - indrindra fa ny fanomezan-dàlan'ny fanjakana - handao ny firenena. Ireo bilaogera, avy amin'ny Kiobàna any am-pielezana no ankamaroan'izy ireny, dia nizara ny fomba fisainany mikasika ity fivoaran-draharaha vaovao ity.

12/01/2013

Sary Lahatsoratra
Miaro Tena Amin'ireo Fiampangàn'i Esperanza Aguirre Ny Kiobàna

Tohin'ny lahatsoratra

Nilaza ny filohan'ny antokom-bahoaka (Partido Popular-PP) ao Madrid, Esperanza Aguirre, fa tsy nankato "fitsaràna tao Kioba izy, na endrika ahoana na ahoana." Nantsoiny hoe "fampijaliana" ny fotoana lanin'i Ángel Carromero, Sekretera lefitry ny Sampana Tanora ao amin'ny Antokom-bahoaka tany am-ponja, taorian'ny nanamelohana higadra tao La Havane noho ny "famonoana olona tsy niniana," tanaty lozam-pifamoivoizana izay nahafaty an'ireo Kiobana mpanohitra, Oswaldo Payá sy Harold Cepero. Mihetsika ny tontlon'ny bilaogy Kiobàna.

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny