· Aogositra, 2012

Tantara mikasika ny Costa Rica tamin'ny Aogositra, 2012

Costa Rica: “Voaolana Aho, Hadisoako Ve Satria Nivoaka Alina?”

  23 Aogositra 2012

Tamin'ny hery sy fahasahiana, no nanoratan'i SophiadelSol bilaogeran'ny Love Fashion & Vintage ny fakàna an-keriny taminà fiara nanjo azy vao haingana, fangalarana sy fanolanana raha nivoaka alina niaraka tamin'ny sipany izy. Ao amin'ny fiaraha-monina izay miampanga ireo niharam-boina ho manolotra ny tenany ho amin'ny loza, halatra ary ireo zavatra hafa mety hiseho, mijoro misolo tena ireo niharam-boina ireo izy ary mametraka ny hadisoana amin'ny fiaraha-monina izay mamela ireny zavatra ireny hitranga.

Meksika: Namoy Ny Ainy Ilay Mpihira Ranchera, Chavela Vargas

  08 Aogositra 2012

Namoy ny ainy ny atoandron’ny 5 Aogositra lasa teo  ilay  mpihira Chavela Vargas, teraka tao Kosta Rika saingy mizaka ny zo maha olom-pirenena  Meksikana, nijanona tsy nitempo intsony ny fony teo amin’ny faha- 93 taonany. Fantatra amin’ny hira toy ny hoe “La Llorona” izy, nanjary nahazo  laza i Chavela tamin’ny fihirany ilay mozika...

Lahatsary: ‘Zon'Olombelona Tsy Misy Hatak'andro!’ Fanentanana Natomboka Ao Costa Rica

  07 Aogositra 2012

Tamin'ny Zoma 3 Aogositra lasa teo, ny vondrona Citizens for Human Rights [es] (Olom-pirenena Miaro ny Zon'Olombelona) dia nanomboka fanentanana "Human Rights Now!" (Zon'olombelona Tsy misy hatak'andro!), ka tanatin'izany no nanaovan'ireo olo-malaza samihafa avo ao Costa Rica antso ny amin'ny filàna ny fiantohan'ny fanjakàna ny zon'olombeona ho an'ny olon-drehetra. Ilay lahatsary fampahafantarana dia miresaka ireo olana toy ny fifanambadian'ny olona mitovy, zo ara-piraisana sy ara-pananahana ho an'ny vehivavy.