GlobalVoices anaty

Costa Rica

Tahiry Firenena · 32 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i Costa Rica

19/05/2013

Hafatry Ny Peroviana Ho An'ny Filoha: Tsy Azo Ifampiraharahana Ny Zonay Ao Anaty Aterineto

Tohin'ny lahatsoratra GV Mpisolovava

Ny nahatonga ireo tambajotranà ONG Peroviana fanta-daza, isan'izany ny RedGE sy ny Hiperderecho, hanao fanentanana hitaiana amin'ny Filoha Ollanta Humala Tasso hametraka fetra maza sy tsy azo hifampiraharahana, mba hahafahana matoky fa voahaja ny zo fototry ny Peroviana ao anatin'ny TPP. Mety hanamafy kokoa ny endriky ny lalàna Peroviana momba ny fizaka-manana izay miteraka resabe izy io ary hametra ny fahafahan'ny Kôngresy Peroviana hiditra amin'ny fanovàna ny lalàna nasionaly mba hamaliana ny filàn'ireo IP izay miovaova sy ny zava-misy iainan'ireo olom-pirenena Peroviana ary ny sehatry ny teknolojian'izy ireo izay an-dàlam-pitomboana.

29/12/2012

Andro Faha-2 Ho Fampandrosoana An'i Amerika Latina 2012

Tohin'ny lahatsoratra Teknolojia mampangarahara asa

Nifarana tamin'ny Alahady 2 Desambra teo ny andro faha 2-n'ny hackathon isam-paritra ho fampandrosoana an'i Amerika Latina 2012, nokarakarain'ny Ciudadano Inteligente Foundation tany amin'ny firenena valo any amerika Latina. Taorian'ny asa mafy tsy ankiato 36 ora , dia nanomboka nanolotra ny tetikasany ireo mpandray anjara tany amin'ny faritra samy hafa mba hahafahan'ny mpitsara maka fanapahan-kefitra ao aoriana ao. Eto no anoloranay ireo mpandresy avy any amin'ny faritra samy hafa.

12/12/2012

Mankatò Ny Fampiasa Facebook Kostarikana Ny Loka Access Innovation 2012

Tohin'ny lahatsoratra

Nanambara ireo nandresy tamin'ny fifaninanana ahazoana ny lokam-panavaozana ny teknolojia hotontosaina isan-taona voalohany, tamin'ny 10 Desambra 2012 lasa teo, ny fikambanana tsy mitady tombom-barotra Access.org. Ny fifaninanana dia natao hamoriana fandraisana...

06/12/2012

Fampiasa Nandresy Tamin'ny Hackaton Goavana Indrindra Ao Amerika Latina

Tohin'ny lahatsoratra Teknolojia mampangarahara asa

Nalefa voalohany tao amin'ny engine room ny lahatsoratra Desarrollando America Latina [es], karazana fifaninanana erantany ho an'ireo mpanao hacking ao Amerika Latina, no hotontosaina mandritra ity herinandro ity manerana ny firenena 8...

03/12/2012

Andro 1 Amin'ny Fampandrosoana an'i Amerika Latinina 2012

Tohin'ny lahatsoratra Teknolojia mampangarahara asa

Indro fa nanomboka tamin'ny 1 Desambra ihany ny Fampandrosoana an'i Amerika Latinina 2012 (#DAL2012). Tamin'ity taona ity ny hackathon rezionaly nomanin'ny Ciudadano Inteligente (Olompirenena Maranitra) Foundation [en] dia nentina tany amin'ny [en] firenena Amerikana Latinina 8: Arzentina, Bolivia, Brezila, Chile, Costa Rica, Meksika, Però ary Orogoay. Indro zaraina ny tatitry ny andro voalohany.

20/10/2012

Manohy Ny Diany Ho Any Amin'ny Fiadiana Ny Amboara Eran-tany 2014 i Panamà, i Honduras ary i Costa Rica

Tohin'ny lahatsoratra

Tafakatra amin'ny dingana famaranana ao amin'ny Concacaf i Panama, i Honduras ary i Costa Rica, fifanintsanana hankanesana any amin'ny fiadiana ny Amboara Eran-tany FIFA 2014 any Brezila. Ireo mpitia baolina kitra dia niady hevitra tamin'ny tambajotra sosialy samy hafa momba ireo lalao fifnanintsanana nahafinaritra.

23/08/2012

Costa Rica: “Voaolana Aho, Hadisoako Ve Satria Nivoaka Alina?”

Tohin'ny lahatsoratra

Tamin'ny hery sy fahasahiana, no nanoratan'i SophiadelSol bilaogeran'ny Love Fashion & Vintage ny fakàna an-keriny taminà fiara nanjo azy vao haingana, fangalarana sy fanolanana raha nivoaka alina niaraka tamin'ny sipany izy. Ao amin'ny fiaraha-monina izay miampanga ireo niharam-boina ho manolotra ny tenany ho amin'ny loza, halatra ary ireo zavatra hafa mety hiseho, mijoro misolo tena ireo niharam-boina ireo izy ary mametraka ny hadisoana amin'ny fiaraha-monina izay mamela ireny zavatra ireny hitranga.

08/08/2012

Meksika: Namoy Ny Ainy Ilay Mpihira Ranchera, Chavela Vargas

Tohin'ny lahatsoratra

Namoy ny ainy ny atoandron’ny 5 Aogositra lasa teo  ilay  mpihira Chavela Vargas, teraka tao Kosta Rika saingy mizaka ny zo maha olom-pirenena  Meksikana, nijanona tsy nitempo intsony ny fony teo amin’ny...

07/08/2012

Video Lahatsoratra
Lahatsary: ‘Zon'Olombelona Tsy Misy Hatak'andro!’ Fanentanana Natomboka Ao Costa Rica

Tohin'ny lahatsoratra

Tamin'ny Zoma 3 Aogositra lasa teo, ny vondrona Citizens for Human Rights [es] (Olom-pirenena Miaro ny Zon'Olombelona) dia nanomboka fanentanana "Human Rights Now!" (Zon'olombelona Tsy misy hatak'andro!), ka tanatin'izany no nanaovan'ireo olo-malaza samihafa avo ao Costa Rica antso ny amin'ny filàna ny fiantohan'ny fanjakàna ny zon'olombeona ho an'ny olon-drehetra. Ilay lahatsary fampahafantarana dia miresaka ireo olana toy ny fifanambadian'ny olona mitovy, zo ara-piraisana sy ara-pananahana ho an'ny vehivavy.

15/05/2012

Video Lahatsoratra
Costa Rica: Ilay ‘Cirque’ Manavotra Ain'Ankizy

Tohin'ny lahatsoratra

Any atsimon'i Costa Rica no misy ny tanànan'i Perez Zeledon, tananan'ny Fantazztico Circus izay manome vintana ho an'ireo ankizy sy tanora avy ao amin'ilay faritra ho lavitry ny zava-mahadomelina sy ny adin-tsaina tamin'ny fisokafan'ny varavarany ho amin'ny fitetezana iraisam-pirenena.

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny