· Marsa, 2013

Tantara mikasika ny Kolombia tamin'ny Marsa, 2013

Medellín, Kolombià: Mivoatra Saingy Misy Tsy Fitoviana

  09 Marsa 2013

Nambaran'ny gazety boky WSJ, tamin''ny 1 Martsa fa voafidin'ny fifaninanana "Tanànan'ny Taona " ho tanàna mivoatra indrindra eto amin'izao tontolo izao i Medellín. Fa tamin'io andro io ihany koa, no nitateran'ny gazety fa nambaran'ny Firenena Mikambana momba ny Zon'Olombelona ho tanàna iray faran'izay anjakan'ny tsy fitoviana indrindra eto amin'izao tontolo izao io tanàna io. Io fifanoherana goavana amin'ireo tatitra roa ireo io dia niteraka resabe tamin'ny tambazotra sosialy.