· Febroary, 2013

Tantara mikasika ny Kolombia tamin'ny Febroary, 2013

Hamarino Tsara: “Colombia, Fa TSY Columbia”

  26 Febroary 2013

Mba ho fiezahana hamerenana amin'ny laoniny sy hanitsiana ny fahadisoana fahita amin'ireo mpiteny anglisy, sy hanatsarana ny endriky ny fireneny dia misy tanora matihanina Kolombiana efatra nanokatra fanentanana amin'ny tambajotra sosialy manao hoe "Colombia, Fa TSY Columbia."

Kolombia: Mbola Mipoapoaka Ny Basy ao Medellín

  13 Febroary 2013

Miatrika toe-draharaha sarotra momba ny filaminam-bahoaka ny tanànan'i Medellin. Ao Comuna 13 [es] no faritra tena voantonontonona, andrenesana fifandonana marobe isak'alina [es] tamin'ny fiandohan'ny herinandro tamin'ny volana Febroary. Nanjary niha-ratsy hatrany ny toe-draharaha satria noterena nampiato ny asany mandritra ny 15 minitra ny Fiaratariby [fanamarihan'ny mpandika: fiara mandeha amin'ny tariby mihantona)]. Olona roa no naratra noho ny bala votsotra...