· Mey, 2012

Tantara mikasika ny Kolombia tamin'ny Mey, 2012

Kolombia: Fitsidihana Ny Toby Karmata Rua Misy Ireo Vazimba Teratany

  10 Mey 2012

Tsy ela akory izay ny vohikala Multimedia TodoLoQueHay[es] avy ao Kolombia dia namoaka fitsidihana an-tsary fohy ny toby misy ireo vazimba teratany Emberá-Chamí fantatra fahiny tamin'ny hoe Christendom, izay ny mponina ao ankehitriny dia miezaka ny hanao izay hahafantarana azy amin'ny fiantso nentin-drazana hoe : Karmata Rua.

Lahatsary: Mifampizara Ny Fiainany Ny Reny Manerantany

  03 Mey 2012

Hita ao amin'ny fampirantiana an'aterineton'ny Mozea iraisampirenena Momba ny vehivavy avokoa ny momba ny reny rehetra. Nampahafantatra ireo karaza-pijery momba ny reny tamin'ny alalan'ny fanadihadiana an-dahatsary natao tamin'ny vehivavy avy ao Nizeria, Kenia, Afganistana, Etazonia, Kolombia, Hongria, Shina ary Norvezy ny MAMA: Ny Fiainan'ny reny manerana ny glaoby. Mama to Be (Ho reny atsy...

Kolombia: Zazalahy 12 Taona Maty Noho Ny Vono Nahazo Azy Tany Am-pianarana

  01 Mey 2012

Zazalahy kely 12 taona no maty herinandro lasa izay noho ny vono nahazo azy tamin'ny fiarovany ny mpiara-mianatra taminy. Na dia nanambara aza ny mpitsabo mpahay lalàna fa aretin'ny taolana no nahafaty azy, nandà izany fanapahan-kevitra izany ny reniny [es] sy ireo manam-pahaizana vitsy [es] ary nilaza fa ilay fidarohana azy no antony tena niteraka ny fahafatesany. Mihetsi-po amin'ny fahafatesan'ity zazalahy ity ireo Kolombiana mpampiasa aterineto.