· Novambra, 2011

Tantara mikasika ny Kolombia tamin'ny Novambra, 2011

Kolombia : Maty Ilay Mpitarika Ara-Poto-kevitra Ngeza Lahy Tao Amin'ny FARC, “Alfonso Cano”

  13 Novambra 2011

Alfonso Cano, ilay mpitarika ngeza lahy amin'ny "Revolutionary Armed Forces of Colombia" (FARC) na ny Hery Revolisionera Mitam-piadiana ao Kolombia, dia lavo ny 4 Novambra tao amin'ny departemantan'i Cauca nandritra ny ady nifanaovana tamin'ny miaramila. Ny Kolombiana dia naneho hevitra mikasika ny nahafatesany tao amin'ny bilaogy, ary naneho koa ny fijeriny tao amin'ny Twitter tamin'ny fampiasany ny tenifototra #AlfonsoCano.

Kolombia: Mitohy Mitokona Ireo Anjerimanontolo Ho Fanoherana Ny Lalàna 30

  04 Novambra 2011

Mbola mitohy mitokona ireo Kolombiana mpianatra avy amin'ny anjerimanontolo ho fanoherana ny fanavaozana ny Lalàna 30. Miteny ry zareo fa ilay fanavaozana dia hampanjary ho tsy miankina ireo anjerimanontolom-panjakana, ary manindry fa tsy hiverina an-dakilasy mihitsy raha tsy voasintona eny amin'ny Kaongresy ilay tolo-dalàna.

Kolombia : Fifidianam-Paritra 2011

  02 Novambra 2011

Ny Alahady 30 oktobra 2001 no natao tao Kolombia ny fifidianam-paritra [teny espaniola] hanendrena izay ho olom-boafidy amin'ny fitantanana raharaham-bahoaka eny ifotony : governora, antenimieram-paritra, ben'ny tanàna, mpanolontsain'ny tanàna, ary ny antenimieran'ireo mpitantan-draharaha eny an-toerana. Arakaraky ny lanjan'ny toerana hofenoina, arahamaso akaiky ireny fifidianana ireny toy ny fanarahana ny fifidianana ho filoham-pirenena. Mailo tanteraka ny vahoaka mikasika io teboka io, ary izany dia tsapa hatranyt anaty fampahalalam-baovaon'olon-tsotra rehetra any sy eny amin'ny tambajotra sosialy.