· Jolay, 2011

Tantara mikasika ny Kolombia tamin'ny Jolay, 2011

Kolombia: Fahafatesan’ Ilay Mpihira Joe Arroyo

  31 Jolay 2011

Kolombiana mpihira salsa i Álvaro José Arroyo González, fantatra amin'ny anarana hoe Joe Arroyo, nodimandry ny 26 Jolay tao Barranquilla. Tao amin'ny Twitter, bilaogy maro sy vohikala maro no nanehoan'ireo mpitia azy ny fahatsiarovana ny fiainany sy ireo hirany

Kolombia: 201 Taona Nahazoana Fahaleovantena

  28 Jolay 2011

Araka ny efa nambaranay tamin'ny lahatsoratra farany, Kolombia dia nankalaza ny andro nahazoany fahaleovantena ny 20 Jolay lasa teo. Ny aterineto, araka ny efa nampoizina, dia sehatra iray nanehoana hevitra maro sy tranga samihafa noho ny fireharehana hoe teraka tao amin'izany Firenena izany ka hatramin'ny resaka kiana ara-politika.

Lahatsary: Tortillas, Chapatis, Mofo Sy Maro Hafa Manerana Izao Tontolo Izao

Betsaka amin'ireo kolontsaina no mampiaraka ny sakafony amin-javatra vita avy amin'ny voamaina; mofo, biskoitra sy karaza-mofo nahandroina tamin'ny entona no tena isan'ny sakafon'ny olna amin'ny toerana maro manerana izao tontolo izao. Androany isika dia hitsidika mpiangaly sy mpahandro mba hijery ny fomba fikarakaran-dry zareo sy fanaovany ny sakafo fanomeny ny fianakaviany.

E Day: Mamantatra NyTeny Ankafizin'ireo Olo-malaza

  16 Jolay 2011

Inona no zavatra itovian'ny mpihira Shakira, ny mpilalao sarimihetsika Gael Garcia Bernal, i sefo Ferran Adria ary ilay mpanoratra Mario Vargas Llosa? Izy ireo dia samy mpikambana ao amin'ilay vondron'ireo olo-malaza 30 nizara tamin'ny alalan'ny lahatsary ireo teny tena tian'izy ireo amin'ny teny Espaniola mba ho isan'ny fankalazana ny 'E Day' nokarakarain'ny Fianarana Ambony Cervantes.

Arzantina: Mpamoron-kira Facundo Cabral Nisy Namono Tao Goatemala

  12 Jolay 2011

Facundo Cabral no ha muerto, se inmortalizó Fiorella FM (@superfiore) Tsy maty i Facundo Cabral , maharitra mandrakizay ny lazany… Fiorella FM (@superfiore) Ny marainan'ny Asabotsy 9 Jolay,  nisy namono tao Goatemalà ilay mpamoron-kira malaza Facundo Cabral. Namoaka vaovao ahitana ity fehezanteny manaraka ity ny bilaogy Facundo Cabral: Facundo Cabral murió baleado...