GlobalVoices anaty

Kolombià

Tahiry Firenena · 86 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i Kolombià

09/03/2013

Medellín, Kolombià: Mivoatra Saingy Misy Tsy Fitoviana

Tohin'ny lahatsoratra

Nambaran'ny gazety boky WSJ, tamin''ny 1 Martsa fa voafidin'ny fifaninanana "Tanànan'ny Taona " ho tanàna mivoatra indrindra eto amin'izao tontolo izao i Medellín. Fa tamin'io andro io ihany koa, no nitateran'ny gazety fa nambaran'ny Firenena Mikambana momba ny Zon'Olombelona ho tanàna iray faran'izay anjakan'ny tsy fitoviana indrindra eto amin'izao tontolo izao io tanàna io. Io fifanoherana goavana amin'ireo tatitra roa ireo io dia niteraka resabe tamin'ny tambazotra sosialy.

08/03/2013

Fitokonan'ny Mpamboly Kafe: Ny Olana Ao Ambadiky Ny Kafe Kolombiana

Tohin'ny lahatsoratra

Andiany iray amin'ireo Kolombiana mpamokatra kafe no nitokona hatramin'ny 25 Febroary. Cati Restrepo no manolotra fandalinana ny toe-draharaha.

26/02/2013

Sary Lahatsoratra
Hamarino Tsara: “Colombia, Fa TSY Columbia”

Tohin'ny lahatsoratra

Mba ho fiezahana hamerenana amin'ny laoniny sy hanitsiana ny fahadisoana fahita amin'ireo mpiteny anglisy, sy hanatsarana ny endriky ny fireneny dia misy tanora matihanina Kolombiana efatra nanokatra fanentanana amin'ny tambajotra sosialy manao hoe "Colombia, Fa TSY Columbia."

14/02/2013

Amerika Latina: Mametra-pialàna Ny Papa – Manaraka Eny Ny Fanantenana, Hanihany Ary Fitadiavana Tombony

Tohin'ny lahatsoratra

Nanampoka an'izao tontolo izao ilay fanambaràna ny fametraham-pialàn'ny Papa Benedict XVI avy amin'ny fiketrahana masina, na, ny marimarina kokoa, ny ny Pontifikà Faratampon'ny Fiangonana Katolika, tamin'ny Alatsinainy 11 Febroary 2013.

13/02/2013

Kolombia: Mbola Mipoapoaka Ny Basy ao Medellín

Tohin'ny lahatsoratra

Miatrika toe-draharaha sarotra momba ny filaminam-bahoaka ny tanànan'i Medellin. Ao Comuna 13 [es] no faritra tena voantonontonona, andrenesana fifandonana marobe isak'alina [es] tamin'ny fiandohan'ny herinandro tamin'ny volana Febroary. Nanjary niha-ratsy hatrany ny toe-draharaha satria noterena nampiato ny...

29/12/2012

Nanohina An'i Meksika ny Fahafatesan’ilay Kolombiana Mpilalao Baolina Kitra Miguel Calero

Tohin'ny lahatsoratra

Fanavaozam-baovao (4 Desambra 2012): Tamin'ny alalan'ny fanambarana an-gazety navoaka Facebook [es] no nilazan'ny Pachuca Football Club (Meksika) fa maty tamin'ny talata 4 desambra i Miguel Calero.  Nandalo fotoan-tsarotra ilay mpialalao baolina kitra Kolombiana...

27/11/2012

Video Lahatsoratra
Manohitra Ny Kolikoly Ny Tanora Ao Amerika Latina

Tohin'ny lahatsoratra Teknolojia mampangarahara asa

Mizara lahatsary iray i Andrea Arzaba izay hanadihadiany ireo tetikasa tarihan’ireo tanoran’i Amerika Latina ho amin’ny mangarahara sy ny fandraisana andraikitra. Nandray anjara tamin’ilay Sehatra Fiadian-kevitry ny Tanora Eran-tany Manohitra Ny Kolikoly Andiany Fahatelo,nokarakarain’ny Tambajotran’ny Tanora Eran-tany Manohitra Ny Kolikoly (GYAC) any Brasilia, Brezila ny 5 sy 6 Novambra teo.

05/11/2012

Video Lahatsoratra
Kolombiana ‘Tiger’ Radamel Falcao, Voatendry Anisan'ny Ballon d'Or FIFA

Tohin'ny lahatsoratra

Namoaka fanentanana fampahafantarana ilay mpanafika Kolombiana Radamel Falcao mifaninana ho lasa  Ballon d'Or FIFA 2012 ny klioba baolina kitra Espaniola Atlético de Madrid Mitondra ny lohateny hoe “Falcao: Liona Volamena” ny ao amin'ny fanentanana, izay ahitana...

30/10/2012

Kolombia: Mpanao Gazety Voaraoka Fa Namoaka Lahatsoratra Momba Ilay Orinasan-Tsolika

Tohin'ny lahatsoratra

Noroahina avy tao amin'ny habaka an-tserasera Kien&Ke ny mpanao gazety kolombiana Daniel Pardo taorian'ny namoahany lahatsoratra iray momba ny faneren'ny orinasan-tsolika Kanadiana Pacific Rubiales amin'ny fampahalalam-baovao tahaka ny W Radio. Maro ny mpiserasera no nitovy hevitra fa famelezana ny fahalalahan'ny mpampahalala vaovao izao fandroahana izao.

08/10/2012

Fitakian'ny Kolombiana Tsy Misy Vono-olona Anatin'ny 24 Ora

Tohin'ny lahatsoratra

Vaovao farany (4 Oktobra 2012): Nitatitra i Carlos Eduardo Valdés Moreno, talen'ny Ivom-pahasalamana Misahana ny Fandidiam-Paty sy ny Siansan'ny Diam-bono ao Bogota fa 28 ny isan'ny vono-olona nitranga tao Kolombia tamin'ny 2...

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny