Tantara mikasika ny Shily tamin'ny Marsa, 2012
‘Mujeres Construyendo': Fampivoarana Ny Vehivavy, Bilaogy Iray Amin'ny Fotoana Iray
Mujeres Construyendo, sehatra voalohany ho an'ireo vehivavy bilaogera amin'ny teny Espaniola dia te-hamadika ireo vehivavy miteny Espaniola ho lasa mpamorona votoaty ety anaty aterineto. Mitafa amin'ny mpamorona azy io izahay, Claudia Calvin, mikasika ny firoboroboan'ny vondrom-piarahamonin'ny bilaogera.
Chile: Mifanakalo Hevitra Momba Ny Fampiatoana Vohoka Noho Ny Antony Ara-Pahasalamana Ny Twitter Raha Mbola Mihainohaino Kosa Ny Antenimieran-doholona
Raha mitohy hatrany manemotra ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny fanaovana ny fampiatoana vohoka noho ny antony ara-pahasalamana ny Antenimieran-doholona, mitohy tsy mitsahatra kosa ny fifanakalozana fomba fijery ao anatin'ny habaka cyber Siliana, indrindra fa taorian'ny fifanakalozan-kevitra tanaty fandaharana roa tao amin'ny fahitalavitra Siliana mikasika io olana io.