· Avrily, 2011

Tantara mikasika ny Shily tamin'ny Avrily, 2011

Chile: Nanafaingana Ny Fitaterana Taova Ny Mpitsabo Mpanampy iray Tamin'ny Alalan'ny Twitter

  27 Avrily 2011

Cristina Bizama (@cristi_enf), mpitsabo mpanampy ao amin'ny tobim-pitsaboana Talca any Chili, dia nahavita nanafaingana ny fitaomana ny taova hafindra avy any Talca mankany Santiago renivohitra, any amin'ny 260 kilometratra miala avy ao. Tweet iray no nanombohan'ny zava-drehetra: "Tsy mampino! Tsy misy fomba hitaterana taova 5 mankany [Santiago]." Avy hatrany dia nandray andraikitra ny vondrom-piarahamonin'ny Twitter.

Chile: Toeram-Pandiovana (Refinery) Misokatra Indray Na Teo Aza Ny Fahampoizinana Tany An-Tsekoly

  08 Avrily 2011

Nanapa-kevitra nanakatona sekoly iray ny Ministeran'ny Fahasalamana tany Chile tamin'ny 23 Martsa 2011, taorian'ny fanamarinana fisianà tranga 40 [es] olontsotra sy mpianatra voapoizin'ny solifara, varahina sy akora hafa miaty solifara. Fitsarana iray no nandidy ny hanakatonana ilay orinasa, navela iìhisokatra indray izy io 24 ora latsaka taty aoriana rehefa nanao fampakarana ny didy navoaka ny Codelco, ilay orinasa tompon'ilay fandiovana. Nahazo alalana hiverina an-tsekoly ny mpianatra tamin'ny 4 Aprily teo.