· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Brezila tamin'ny Desambra, 2012

Fiainana Ara-pananahana Tapa-kofehy, Endriky Ny Vehivavy Breziliana Maneran-Tany?

  29 Desambra 2012

Nandritra ny fandaharana "Fitsarana Jamba?" tamin'ny fahitalavitra tao Portiogaly, ilay Lehiben'ny Mpisolovava (Batonnier) ao amin'ny holafitry ny Mpisolovava ao Portiogaly, Marinho Pinto, dia nanambara fa "ny zavatra iray isan'ny be indrindra fanondran'i Portiogaly dia ny Mpivarotena". Goavana tokoa ny fiantraikan'izay tety anaty aterineto, ary nanoloana ny resabe tahaka izany, voaresaka indray ny sary sy ny fitsaratsaram-poana mahazo ny vehivavy breziliana manerana izao tontolo izao.

Andro Faha-2 Ho Fampandrosoana An'i Amerika Latina 2012

  29 Desambra 2012

Nifarana tamin'ny Alahady 2 Desambra teo ny andro faha 2-n'ny hackathon isam-paritra ho fampandrosoana an'i Amerika Latina 2012, nokarakarain'ny Ciudadano Inteligente Foundation tany amin'ny firenena valo any amerika Latina. Taorian'ny asa mafy tsy ankiato 36 ora , dia nanomboka nanolotra ny tetikasany ireo mpandray anjara tany amin'ny faritra samy hafa mba hahafahan'ny mpitsara maka fanapahan-kefitra ao aoriana ao. Eto no anoloranay ireo mpandresy avy any amin'ny faritra samy hafa.

Manao Diabe Ny Mpifindra Monina Mba Hitaky Fitovizan-jo Ao Brezila

  18 Desambra 2012

Tamin'ny 2 Desambra, nidina an-dalambe ny fihetsiketsehana nokarakarain'ireo mpila ravinahitra monina ao São Paulo mba hitaky ny fananany zo fototra toy ny fahasalamana, fiarovana, sy asa mendrika. Niainga tao Praça da República, ao afovoan-tanàna ny Diaben'ny Mpifindra-monina VI ary nandalo teo anoloan'ny Lapan'ny Tanàna ao São Paulo, ka nijanona tao nandritra...

Brezila Manao Veloma Farany An'i Niemeyer, Revolisioneran'ny Maritrano Maoderina

  10 Desambra 2012

Tsaroana voalohany indrindra amin'ny maha-mpahay maritrano azy nandrafitra ny endriky ny renivohitr"i Brezila, Brasilia [en], ary tamin'ny fijoroany tamin'ny idealy kaomionista nandritra ny fiainany manontolo, nodimandry i Oscar Niemeyer [en] ny alin'ny 5 Desambra taorian'ny aretin'ny taova fisefoana nahazo azy. 104 taona izy izay lasa izay.

Fampiasa Nandresy Tamin'ny Hackaton Goavana Indrindra Ao Amerika Latina

  06 Desambra 2012

Nalefa voalohany tao amin'ny engine room ny lahatsoratra Desarrollando America Latina [es], karazana fifaninanana erantany ho an'ireo mpanao hacking ao Amerika Latina, no hotontosaina mandritra ity herinandro ity manerana ny firenena 8 ao Amerika Atsimo sy Afovoany. Rehefa tafahaona tao an'efitra ireo mpahay teknolojia miaraka amin'ny angon-drakitra misokatra (open data) sy hiresaka momba...

Miatrika Fanamby Vaovao Ny Politikam-Pifindra-monina Breziliana

  04 Desambra 2012

Raha efa ela no niadian-kevitra tany Eoropa sy Etazonia ity resaka ity dia vao haingana kosa vao niha-nalaza ny lohahevitra momba ny fifindra-monina mankany Brezila. Efa fantatra ho firenena mpandray vahiny mandra-pahatonga ny fotoana vitsivitsy izay, ny zavamisy vaovao izay niainan'ny firenena tao anatin'ny fotoana vitsivitsy izay no mametraka fanamby...

Fuleco, Biby Famantarana Fifaninanan-Dalao Mampisara-tSaina an'i Brezila

  03 Desambra 2012

Hantsoina hoe Fuleco ilay biby famantarana ny fiadiana ho tompon-daka manerantany hatao any Brezila. Safidy nampalahelo satria amin'ny tenin-jatovo breziliana dia mety hidika hoe "lava-pitombenana" io na hoe olona kamo na mpandainga. Nilaza ny tsy fahafaliany manerana ny tambajotra sosialy ny mpiserasera breziliana. Efa nisy ny fanangonan-tsonia nahavoriana sonia mihoatra ny 39 000.

Andro 1 Amin'ny Fampandrosoana an'i Amerika Latinina 2012

  03 Desambra 2012

Indro fa nanomboka tamin'ny 1 Desambra ihany ny Fampandrosoana an'i Amerika Latinina 2012 (#DAL2012). Tamin'ity taona ity ny hackathon rezionaly nomanin'ny Ciudadano Inteligente (Olompirenena Maranitra) Foundation [en] dia nentina tany amin'ny [en] firenena Amerikana Latinina 8: Arzentina, Bolivia, Brezila, Chile, Costa Rica, Meksika, Però ary Orogoay. Indro zaraina ny tatitry ny andro voalohany.