Tantara mikasika ny Brezila
2.202 andro taoriana, nahazo valiny tamin'izay mety ho nanome baiko hamonoana an'i Marielle Franco ny breziliana
Rehefa nanontany izay namono an'i Marielle Franco ny breziliana, dia nisambotra olona telo voarohirohy ho nanome baiko hamono ny polisy federaly, ka anisan'izany ny lehiben'ny polisy tao Rio taloha.
Ao Brezila, hatramin'ny nitondran'i Bolsonaro, nihena ny daroka mpanao gazety fa mitombo ny fitoriana eny amin'ny fitsarana
Nasehon'ny firaketana (andron-drakitra fa nihena ho 181 tamin'ny heriantaona ny karazan-kerisetra nihatra tamin'ny matihanin'ny fampitam-baovao, raha nitombo 92,31 isanjato kosa ny fitoriana mpanao gazety teny amin'ny fitsarana.
Tondra-drano any Brezila, nanjary adihevitra nasionaly ny fanavakavahana ara-tontolo iainana
Niteraka fahafatesan'olona 12 sy faharavana tamin'ny volana Janoary ny tondra-drano sy ny oram-be tany amin'ny fanjakan'i Rio de Janeiro. Taorian'ny nanamarihan'ny minisitry ny fitoviana ara-poko Anielle Franco ny fanavakavahana ara-tontolo iainana, dia niteraka adihevitra nasionaly io teny io.
‘Marta’, lasa loka iray ho an'izay baolina maty tsara indrindra amin'ny tontolon'ny baolina kitra vehivavy
In'enina voafidy ho mpilalao tsara indrindra maneran-tany ary miaraka amin'ireo 20 taona mahery nilalaovany, lasa olo-malazan'ny baolina kitra breziliàna ilay Breziliàna atlelta Marta Vieira da Silva, no sady mpiady ho an'ny fitovian-jo
Ny fomba ataon'ireo tanora avy any ambanivohitr'i São Paulo hidirana amin'ny sehatra pôlitika
Tsy misy herintaona akory mialoha ny fifidianana ben'ny tanàna hatao amin'ny 2024 ao Brezila, maneho ny fitakian-dry zareo manokana ireo tanora avy any ambanivohitra, momba ny fandaharanasa pôlitikam-pitondràna ao anatiny sy ivelan'ireo antoko
Ireo firenena enina nahazo fanasàna ho isan'ny klioba BRICS
"Ny fihitarana sy ny fihavaozan'ny BRICS ho maoderina dia hafatra iray izay ny andrim-panjakana rehetra maneran-tany no mila azy mba hamolavolana ny tenany hifanaraka amin'ny fiovaovan'ny fotoana."
An'ny voambolana ny fitenenana: Fizaràna #04
Ato anatin'ny fizaràna “Les mots ont la parole - An'ny voambolana ny fitenenana”, asongadinay ireto voambolana na fomba fiteny telo ireto: Macho, avy amin'ny espaniôla; 麻甩 amin'ny cantonais ; ary Chique fiteny pôrtiogey ao Brezila.
Undertones: Mandray ny fomba fitantarana rosiana amin'izay mahametimety azy ny breziliana
Miantraika amin'ny fomba fijerin'ny breziliana ny ady ao Okraina ny fisaraham-bazana – indraindray amin'ny famihinnana ny fitantarana rosiana
“Black Race Trophy”: mankalaza ny asa manohitra ny fanavakavaham-bolonkoditra ao Brazila sy any ivelany
Tamin'ny Novambra 2022 no natao ny lanonana fanomezana ny 'Black Race Trophy'' fankalazàna ireo olona mavitrika amin'ny ady manohitra ny fanavakavaham-bolon-koditra sy ho an'ny vahoaka mainty hoditra.
Nandresy tamin'ny Karnavaly tao São Paulo ny sekoly Samba nanoritsoritra ‘Samurai’ teraka tany Mozambika
Mampiseho ny tantara Mozambikana, antsoina hoe samurai any Japana tamin'ny taonjato faha-16. Voalaza fa teraka tao amin'ny Nosy Mozambikana iray i Yasuke mainty hoditra voalohany tonga tany Japana ary lasa samurai mainty hoditra voalohany.