GlobalVoices anaty

Brezila

Tahiry Firenena · 162 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i Brezila

08/05/2013

Brezila : Manohintohina ny Famotorana Raharahan-Kolikoly ny “PEC-n'ny Tsimatimanota”

Tohin'ny lahatsoratra

Eo am-pototry ny vato-baorin'ny raharahan-kolikoly[en] ao Brezila izay nahitana ny mpikambana governemantan'i filoha teo aloha Luiz Inácio Lula da Silva noampangaina ho nandray anjara tamin'ny fividianam-bato, dia nisy volavolam-panitsiana lalampanorenana ao Brezila izay hanolotra ny fahafaha-manao famotorana ao amin'ny biraon'ny fampanoavana, izay manaraka ny raharaha, ho any amin'ny polisy.

18/04/2013

Sary Lahatsoratra
Mitolona Mba Ho Velona Ireo Mponina Nafindra Toerana Nohon'ny Toby Famokarana Herinaratra

Tohin'ny lahatsoratra

Rehefa nakisaka ho any Mutum Parana Vaovao – tanàna iray naorin'ny orinasa Energia Sustentável ho toeram-ponenan'ireo enjeniera sy mpiasany – ireo mponina teny amoron-drano izay nakisaka niala tamin'ny vondrom-piarahamonina nisy azy ireo mba hahafahana manone alàlana ny toby famokarana herinaratra ao Madeira River hanafotra rano ilay faritra dia namantana “tanàna matoatoa”, toerana iray izay toa sarotra ho azy ireo ny hiaina ao.

15/04/2013

Brezila : Miatrika Famaky Ny Hazo Tranainy

Tohin'ny lahatsoratra

Nandrahona ny hihanika sy hipetraka eny ambonin'ireo hazo tranainy efa zato taona ny mponina ao Porto Alegre any atsimon'i Brezila mba hiarovana azy ireo tsy ho ravan'ny tetikasa fanitarana ho fanomanana ny fiadiana ny amboara eran-tany 2014.

17/03/2013

Sary Lahatsoratra
Brazila: Asehon'Ireo Olom-Pirenena Tsotra Manao Gazety Ireo Asa Vaventy Tsy Vita Ao An-Tanàna

Tohin'ny lahatsoratra Rising Voices

Nabaribarin'ny tetikasa Amigos de Januária na ireo olom-pirenena Mpanao gazety manao fanadihadihana ao aminà tanàna kely ao Brazila ny tsifahombiazan'ny governemanta ao an-toerana, izay notsinotsinoavin'ireo Mpanao gazety vaventy ao amin'ny firenena, fa nopotehan'ny fandovàna fanaovana hatsirambina ny raharaham-panjakana sy ny tsy fandraisana andraikitra izany ka tsy hahafahana mamita ara-potoana ireo tetikasam-panjakana.

09/03/2013

Sary Lahatsoratra Video Lahatsoratra
Fianakaviana Breziliana Very Trano Noho Ny Fiadiana Ny Ho Tompondakan'ny Baolina Kitra

Tohin'ny lahatsoratra

Anatin'ity lahatsoratry ity ny Agência Pública, miresaka aminà Breziliana iray hafa iantraikan'ireo fikarakarana ny Fiadiana ny Tompondakan'ny Lalao Baolina Kitra 2014 . Amin'ity indray mitoraka ity, dia i Elisângela, izay lasa tsy manan-kialofana niaraka tamin'ny zananivavy noho ny famotehana ny tranony tsy nisy fampitandremana tany Rio de Janeiro.

07/03/2013

Sary Lahatsoratra
Dihy Karinavaly Samba Mandritra Ny Mondialy Ao Brezila

Tohin'ny lahatsoratra

Anisan'ny fitantarana manokana amin'ny #CopaPública ity lahatsoratr'i Mateus Coutinho ity, izay navoaka voalohany tamin'ny 8 Febroary 2013, tamin'ny lohateny hoe Carnaval e Copa, será que dá samba? Manoloana ny fandroahana an-katerena sy ny...

03/03/2013

Sary Lahatsoratra Video Lahatsoratra
Mandray Ny Gadona Afrikana Ny Karnivaly Breziliana Any Salvador

Tohin'ny lahatsoratra

Nanerana an'i Bahia, Salvador ary natao tamin'ny toerana telo tao an-tanàna , izay nanintona mpizaha tany antsasakà tapitrisa nandritra ny andro nanaovana ny lanonana, ilay Fetibe Karnivaly breziliana, fety lehibe indrindra maneran-tany. Ny fiarovana ny kolontsaina Afro-Breziliana no tena fototry ny fetibe Bahiane sady lohahevitra ho an'ilay tantara malazan'i Pelourinho amin'ity taona ity ny hoe ‘Black Carnivals’.

20/02/2013

Sary Lahatsoratra Video Lahatsoratra
Lahatsary momba ny “One Billion Rising” Hetsika Manerantany miady ho an'ny Zon'ny Vehivavy

Tohin'ny lahatsoratra

Vehivavy iray ao anatin'ny telo no iharan'ny herisetra amin'ny fiainany. Tamin'ny 14 Febroary 2013, olona amanarivony manerantany no nanao fihetsiketsehana nanohitra ireo herisetra andavanandro tamin'ny alalan'ny dihy-fihetsika mirindra, hetsika artistika sy maro hafa.

01/02/2013

Nessa Geudes bilaogera Breziliana, Garota Coca-cola

Tohin'ny lahatsoratra

[Amin'ny teny portiogey avokoa ny rohy rehetra ankoatra izay marihana manokana] Miara-miasa mba hifampizara ny feon'ireo bilaogera efa an'arivony sy olo-pirenena tia mitati-baovao miaina eran'izao tontolo izao ny GVO (Global...

22/01/2013

Niteraka Adihevitra Tao Brezila Ny ‘Fandehanana Vakansy Miaraka Amin'ny Mpitaiza Zaza’

Tohin'ny lahatsoratra

Vanim-potoanan'ny fialan-tsasatra izao ao Brezila. Tsy mianatra ny mpianatra ary mitady fomba hampialàna voly azy ireo ny ray aman-dreny. Vao haingana, nandefa lahatsoratra mampahafantatra izay lazaina fa toro-hevitra tsotra ho...

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny