· Mey, 2012

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Mey, 2012

Brezila: Ocas, Gazetiboky Manone Vintana Ho An'ireo Tsy Manan-kialofana

  29 Mey 2012

N y gazetiboky Ocas, naely nanomboka ny 2002 teny an-dalamben'i São Paulo sy Rio de Janeiro, dia mamoaka karazana votoaty marobe izay tsy ho hita mihitsy any anatin'ireo gazety mahazatra.. Fa tsy izay fotsiny : fitaovana iray tsy manam-paharoa ihany koa izy ho famerenana ireo mponin'ny làlana sy ireo nahilika, mba ho ao anaty fiarahamonina indray.

Kiobà: Ny Toetry Ny Zon'olombelona

  29 Mey 2012

Nahatonga ny mpamahana bolongana haneho hevitra ny fangataham-baovao vao haingana nataon'ny Vaomieran'ny Firenena Mikambana Manohitra ny Fampijaliana mikasika ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Kiobà.

Peroa : Iquitos Taorian'ny Fandalovan’ ilay Tondradrano

  29 Mey 2012

Fanadihadiana mikasika ny tondra-drano no nandrakotra ny faritra Amazon ao Peroa nandritra ny iray volana, nahatratra sy nihoatra ny teboka ambony indrindra teo amin'ny tantara..Amin'izao fotoana izao dia efa nihena izany . Ao anatin'ity lahatsoratra ity no izarànay ny lahatsary avy amin'ny mponina, sary ary fanadihadiana mikasika ilay tondra-drano.

Karaiba: Ho Fanohanana Ny Renintsika

  29 Mey 2012

Ho fanomanana ny fetin'ny reny hodiavintsika, andao hojerena ny eritreritra mandalo sy ny resaka ataon'ny any amin'ny faritra Karaiba izay nankalaza izany tamin'ny alahady nialoha ny pentekositra teo. Samy manana ny andro hankalazana ny fetin'ny reny manko...

Andian-dahatsary: Miady Amin'ny Fanilikilihana ny Fitenin-Janatany

  28 Mey 2012

Ny tantaran’ny mpitolona sy ny fiarahamonina indizeny manerantany izay mijoro manohitra ny fanavakavahana sy manome vahaolana hanomezan-danja indray ny fitenin-drenin’ny indizeny no hoentin’ny andian-dahatsary Al Jazeera's Living the Language (Ny fomba iainan’i Al Jazeera ny Fiteniny) ho antsika.

Bolivia: Atrikasa Web 2.0 Ho An’ny Mpampianatra Aymara

  25 Mey 2012

Andiana atrikasa Web 2.0 no notontosaina tao amin’ny departemantan’i Oruro ao Bolivia tamin’ny 2 Mey sy 3 Mey 2012. Nokarakarain’ny Minisitireran'ny Fampianarana sy ny tetikasa Jaqi Aru izany atrikasa izany. Tetikasa izay ahitana vondrona mpandalina teny ao an-tanànan’i El Alto, Bolivia. Nampiroborobo ny fampiasana ny teny Aymara tamin’ny aterineto ity vondrona ity. Maro...

Paragoay: Jery Anatin’ny Fiarahamonin’ny Zanatany Aché.

Rising Voices  24 Mey 2012

Ny fitolomana ny fiarovana ny sisintaniny no nandanian'ny zanatany (Indizeny) Achény androantokon-tantarany. Mampiasa valantserasera  ihany koa ny Aché ankehitriny mba hiarovany fitenin-dreniny sy ny kolontsainy. Ny bilaogy Aché Djawu ] (“Tontolon’ny Aché”) sy  kaonty Twitter maromaro no mitantara ny jery ao anatin’ireo fiarahamonina  indizeny Aché enina. Taorian’ny fandripahan'olona nampihena ny isan’ny mponina...

Kiobà : Bilaogera voatsiratsira tamin’ny fanambaran’ny Arseveka

  23 Mey 2012

Tahaka ny tsy mbola ampy tamin'ny arseveka ny nikosikosehana ireo bilaogera tamin’ny fitsidihana farany nataon'ny Papa farany teo tany Kiobà indrindra ny fangatahany hanaisotra ny mpanao fihetsiketsehana ao amin'ny fiangonana ary ny tsy fitadiavany fiaraha-miasa amin’ny fanamorana ny fifampiresahana eo amin'ny papa sy ireo vondrona mpisintaka – nandritra ny fandraisam-pitenenana tao amin'ny Anjerimanontolon'i Harvard. Milaza ireo mpanao fihetsiketsehana...