· Avrily, 2012

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Avrily, 2012

Meksika: Fanitsakitsahana Ny Zon'olombelona Sy Ny Fifidianana Filoham-pirenena

  29 Avrily 2012

Mitantara ny toe-draharaha ao San Salvador Atenco sy Oaxaca, toerana roa ao Meksika izay nijaly noho ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ataon'ny antoko politikan'ny fitondrana ny lahatsary fanadihadiana  A Schizophrenic State notontosain'i Charlotte King, tafiditra amin'zany ny Governora izay manam-pikasana hirotsaka hofidiana filoham-pirenena. Mampiseho ny tsy fisian'ny fanajana ny zon'olombelona ataon'ny governemanta Meksikana...

Nandao An'i Brezila Ilay Diplomaty Iraniana Voampanga Ho Nikitikitika Ankizy Vavy

Voampanga ho nikitikitika ireo ankizy vavy tsy ampy taona nilomano tao anaty dobo filomanosana ilay diplomaty Iraniana monina ao andrenivohitry Brezila, Brasilia, tamin'ny 14  Aprily 2012. Nataon'ny polisy famotorana ity tompon'andraikitra Iraniana ity noho ny fitarainana napetraky ny ray aman-drenin'ireo ankizy, nalefa nody avy hatrany anefa izy rehefa nanambara fa manan-jo tsy...

Brezila: Mpanao Gazety Sady Bilaogera Novonoina Tao São Luís, Maranhão

  27 Avrily 2012

[Teny Portiogey avokoa ny rohy ankoatra izay lazaina manokana] Tifitra roa teo amin'ny lohany raha kely indrindra no namonoana ilay Brezilianina mpanao gazety sady bilaogera Décio Sá tamin'ny alin'ny alatsinainy 23 Avrily tao amin'ny trano fisotroana iray be olona indrindra ao an-tanànan'i São Luis, any avaratra atsinanan'ny fanjakana Maranhão. Manazava ny bilaogera...

Panama: Mahantra Saingy Tsy Adino Noho Ny Lahatsary Aty Anaty Aterineto

  27 Avrily 2012

Iray tamin'ireo tobim-pamaharan'ny Sambo mpisitrika Amerikana tany amin'ny faritry ny Lakandranon'i Panama i Coco Solo, akaikin'i Colón, Panama. Amin'izao fotoana, Coco Solo no tanindrazan'ny sasany amin'ireo mahantra indrindra, ny ankamaroan'ireo Panameana natao an-jorom-bala. Ireo lahatsary anaty aterineto no mba antontan-kevitra vitsy mampiseho ny fiainana ao anatin'ity vondrom-piarahamonina ity.

Ekoatera: Vehivavy Sy Ankizivavy Mpitsoa-ponenana Mitodika Amin'ny Asa Fivarotan-tena

  27 Avrily 2012

Ny Hetsika fanadihadiana an-dahatsarin'ny VJ mitondra ny lohateny hoe Mpitsoa-ponenana mitodika amin'ny asa Fivarotan-tena ao Ekoatora dia mijery ny zavatra iainan'ireo vehivavy Kolombiana maro tsy maintsy niampita sisintany ka nifindra monina any Ekoatora noho ny herisetra. Aminà tranga maro, noho ny tsy fahafahany mahazo asa ara-dalàna, mba hahafahana mivelona dia mitodika amin'ny asa fivarotan-tena ireo vehivavy maro sy ny zanany vavy.

Meksika: Miresaka Manohitra Ny Lalàna Geo-localisation Ireo Mpiondana Aterineto

  26 Avrily 2012

Naapiasa ny bilaogy sy ny Twitter ry zareo Meksikana mba hanehoana hevitra momba ireo fanovàna vao haingana navoaka sy fantatra amin'ny hoe “Lalàna Geo-Localisation”, izay manome fahafahana ireo manampahefana mba hiditra hahita amin'ny fotoana rehetra ny tena misy marina ny olona iray mampiasa ny fitaovan-tserasera findainy.

Brezila : Mafàna Fo Nanao Hetsika Hanoherana Ny Fahatsiarovana Ny Jadona Miaramila

  25 Avrily 2012

Tanatin'ny andro vitsy monja, fihetsiketsehana maro mifandraika amin'ny jadona miaramila breziliana (1964-1985) no nitranga, na izany teny anivon'ny aterineto na teny ivelany, tamin'ny lafintany efatry ny firenena. Nanapa-kevitra ireo mafàna fo ny hanao fihetsiketsehana hanehoana mazava ny fihetseham-pon-dry zareo amin'ny ilàna famaizana ireo mpanao heloka bevavan'ny omaly sy hanokafana tanteraka ny tahirin'antontan-taratasy izay mbola tànana ho tsiambaratelo hatrany.