· Novambra, 2011

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Novambra, 2011

Venezoelà: Atao Ao Caracas Ny Vovonana Manerantanin'ny Hosodoko Atao Amin'ny Vatana

  29 Novambra 2011

Mandray ny Vovonana Manerantanin'ny Hosodoko atao amin'ny Vatana, amin'ity taona ity, i Caracas ary ifampizarana amin'ny valan-tserasera ny endrika sasany mety handona avy amin'izany zavakanto izany. Ao anatin'izany famoronana izany dia nomena sehatra manokana amin'ny fomba fanehoana ara-javakanto atao amin'ny vatan'olombelona ny vazimba ao Venezoelà.

Lahatsary: Manome Mari-pankasitrahana An'ireo Tanora Mpamokatra Horonantsary Ny Plural+ 2011

Nahazo mari-pankasitrahana tany New York ireo tanora manerana izao tontolo izao noho ireo horonantsary fohy manainga ny fisainana anehoan-dry zareo ny tolokevitr'izy ireo mba hahatonga ny ny fiaraha-monina hilamina kokoa sy hanana kolontsaina maro amin'ny alàlan'ny firesahana io lohahevitra toy ny fahasamihafana, fifindra-monina sy ny farotsahana an-tsehatra amin'ny lafiny sosialy.

Arzantina: Fepetra Vaovao Hanaraha-maso Ireo Vola Vahiny

  23 Novambra 2011

Ny 31 Oktobra 2011, nandefa andianà fepetra mba hanaraha-maso ny fivarotana ireo vola vahiny ny governemanta arzantina. Ireo fepetra ireo dia natao mba hanatsaharana ny fiakaram-bidin'ny dollar Amerikana Tavaratra, ka tao anatin'izany ny Banky Foiben'i Arzantina, noho izany, dia tsy maintsy nampidina ny tahiriny mba hialàna amin'ny fitohizan'ny fidinan'ny sandàm-bola peso arzentina manoloana ny dollar.

Però : Ny Grevin'ny Tantsaha Ao Andahuaylas

  21 Novambra 2011

Talata, 8 Novambra, dia nanamarika ny andro faha enina amin'ny grevin'ireo mpamboly izay manohitra ny lahasa fitrandrahana ao amin'ny faritr'i Andahuaylas, ao Apurímac, faritr'i Peroa. Nanao fanadihadiana tamin'ny alàlan'ny Twitter ireo mponina koa satria moa mbola nitohy ilay grevy.

Però : Fijerena Manokana Ny Hetsi-panoherana Manohitra ny Fitrandrahana

  20 Novambra 2011

Ireo bilaogera Peroviana dia nandinika manokana ireo hetsi-panoherana izay vao tsy ela akory sy ny korontana ara-sosialy mifandraika amin'ny olana ara-tontolo iainana izay nateraky ny fitrandrahana, ary ny mety ho aterak'ireny olana ireny amin'ny ihetsiky ny governemantan'ny Filoha Ollanta Humala

Goatemala: Fifandirana momba ny filoha voafidy

  17 Novambra 2011

Mpianatra maintimolaly nahazo diploma Amerikana sady jeneraly misotro ronono Otto Perez Molina no voafidy ho filoha any Goatemala taorian'ny fifidianana niady tokoa sady nifanipaka be ihany, nefa ny ankamaroan'ny mpifidy dia tsy nifidy na nanao vato fotsy. Sambany teo amin'ny tantaran'i Goatemala no nisy vehivavy, Roxana Baldetti [es] -mpikambana ao amin'ny...

Kolombia : Maty Ilay Mpitarika Ara-Poto-kevitra Ngeza Lahy Tao Amin'ny FARC, “Alfonso Cano”

  13 Novambra 2011

Alfonso Cano, ilay mpitarika ngeza lahy amin'ny "Revolutionary Armed Forces of Colombia" (FARC) na ny Hery Revolisionera Mitam-piadiana ao Kolombia, dia lavo ny 4 Novambra tao amin'ny departemantan'i Cauca nandritra ny ady nifanaovana tamin'ny miaramila. Ny Kolombiana dia naneho hevitra mikasika ny nahafatesany tao amin'ny bilaogy, ary naneho koa ny fijeriny tao amin'ny Twitter tamin'ny fampiasany ny tenifototra #AlfonsoCano.

Kiobà: Miresaka Momba Ny Lalam-Pananan-Tany sy Trano Ny Ampielezena

  12 Novambra 2011

Raha manokatra tontolo vaovao hafa ho an'ny Kiobana ity fanovana lehibe ity, izay ahafahany mampandova ny fananany amin'ny taranany ao anatin'ny didim-pananana, dia maro kosa ireo mahita fa mbola be loatra ny teritery, ary ny zava-dehibe indrindra dia ny mbola misy laharam-pahamehana kokoa

Kioba: Mpiaro Ny Habaka Maitso Eny An-tanàn-dehibe

  08 Novambra 2011

Tamin'ny Desambra 2006 dia notapahana ny hazo be iray efa anjato taonany antsoina hoe Ceiba, na Kapoaka, tao San Agustín mpifanolo-bodirindrina amin'ny Havana, renivohitra Kiobana. Ity tranga nampalahelo ity dia nanosika ireo tanora Kiobana hanangana ny El Guardabosques (Ny Mpiambina ny Ala na Forest Ranger).

Porto Rico: Momba Fampitam-baovao Tamin'ny Meday Volamena Azon'ny Ekipa Nasionaly Vehivavy

  04 Novambra 2011

Sambany ny Ekipa Nasionaly Basketball Vehivavy ao Porto Riko no nandrombaka ny meday volamena nandritra ny fifaninanana Pan Amerikana natao tao Guadalajara, ao Meksika vao haingana, taorian'ny fandreseny an'i Meksika tamin'ny isa 85-67 nandritra ny lalao famaranana. Bilaogera sady mpanao gazety ara-panatanjahan-tena, Rafael Díaz Torres namoaka lahatsoratra mendrika tao amin'ny bilaogy Comentario Deportivo...