· Oktobra, 2011

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Oktobra, 2011

Brezila : Ny Niobium, Harem-pirenena Amidy Mora

  31 Oktobra 2011

Isan'ny metaly ampiasaina betsaka manerana ny tany ny niobium, ary Brezila no manana ny tahiry be indrindra amin'io harena ankibon'ny tany io. Na izany aza, ny fitrandrahana azy any Brezila dia mampametraka fanontaniana maro mikasika izay mba vokatra entiny ho an'ireo orinasa tsy miankina na orinasam-panjakana.

Meksika: Nosoniavin'ny Filoha Ilay Lalàna, Roa Taona Taorian'ny Haitrano Tao Amin'ny Toeram-pitaizana Zazakely ABC

  30 Oktobra 2011

Tamin'ny 5 Jona 2009, nisy toerana fitaizana zazakely antsoina hoe Guardería ABC kilan'ny afo ka zaza 49 no namoy ny ainy ary 76 no naratra. Nanao fanadihadiana lalina ny ray aman-drenin'ireo zaza ireo mba hitadiavana izay tena meloka ary hitondra izany eo anoloan'ny Fitsaràna; ankoatr'izay dia nanohana tolo-dalàna iray mba hampivoarana ireo toeram-pitaizana zazakely rehetra any amin'ny firenena. Nosoniavin'ny Filoha meksikana izany lalàna izany (#Ley5deJunio amin'ny Twitter) taorian'ny ezaka lehibe sy mendri-pideràna avy amin'ireo mafàna fo amin'ny aterineto any Meksika.

Kolombia: Nidina an-Dalambe Ny Mpiasa Sy Ny Mpianatra

  26 Oktobra 2011

Volana Nisiana fifanenjanana tao Kolombia ny oktobra 2011. Nampisy fihetsiketsehana an-dalambe avokoa ny fifidianam-paritra ho avy amin'ny Alahady 30 Oktobra, ny Fifanekena Ara-barotra Malalaka miaraka amin'i Etazonia, ary ny fanavaozana ny rafi-pampianarana ambony. Tamin'ny 7 Oktobra, niantso fitokonana nanerana ny firenena ny sendikà noho ny mety ho fisiana hitsivolana maromaro tapaka izay mety...

Arzantina: Fifidianana Ho Filoham-pirenena, Fitetezana Bilaogy

  26 Oktobra 2011

Namoaka vokatra somary efa nampoizina ihany ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tao Arzantina: ny nahavoafidy indray ny filoha amperinasa, Cristina Fernández de Kirchner. Ilay fandresena midadasika be dia nandrisika ireo bilaogera hanadihady ny toe-draharaha politika.

Arzantina: Cristina Fernández de Kirchner Voafidy Indray Ho Filoham-pirenena

  25 Oktobra 2011

Ny fifidianana filoham-pirenena tany Arzantina tamin'ny 23 oktobra teo no nahazoan'i Cristina Fernandez de Kirchner fandresena goavana, araka ny  vokatra vonjimaika. (Jereo ny lahatsoratra tao amin'ny Global voices mikasika ny vokatra tamin'ny volana aogositra nijerena izay hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena). Nanomboka niparitaka ny mety ho vokatry ny fifidianana taorian'ny nikatonan'ny birao fandatsaham-bato tamin'ny 6...

Kolombia: Ny FTA Sy Etazonia Tao Amin'ny Tontolon'ny Bilaogy

  24 Oktobra 2011

Miaraka amin'ilay fifanarahana nosoniavina tany Washington hampakarana ny haavo farany ambonin'ny trosa taorian'ny fifamaliana henjana teo amin'ireo Demokraty sy Repoblikana, ny mpitarika ny Kaongresy ao Etazonia dia niverina tamin'ny lohahevitra momba ny fifanarahana ara-barotra malalaka (free trade agreement - FTA) miaraka amin'i Panamà, Korea Atsimo ary Kolombia. Lasa lohahevitra nivelatra sy noresahana be nandritra ny taona maro, teo anivon'ny tontolon'ny bilaogy izy io dia nahasarika tsikera maro raha mitaha amin'ireo mpankasitraka.

Kolombià: Namoy ny Ainy Ilay Mpandraharaha Julio Mario Santo Domingo

  24 Oktobra 2011

Namoy ny ainy tao New York teo amin'ny faha- 87 taonany, ilay mpandraharaha Kolombiana  Julio Mario Santo Domingo Pumarejo, tamin'ny 7 Oktobra lasa teo, lehilahy mpanankarena indrindra maneran-tany araka ny tatitra navoakan'ny Forbes izy. Tamin'ny alalan'ny vondron'ny orinasany Bavaria sy ny orinasany Valores, no nitantanany orinasa maherin'ny 100, anisan'izany ny famokarana labiera (brassage), radio,...

Bolivia: Tonga Ao La Paz Ireo Vazimba Teratany Mpanao Diabe Avy Amin'ny TIPNIS

  23 Oktobra 2011

Tratran'ireo mpanao diabe avy amin'ny TIPNIS ny tanjon'izy ireo farany dia i La Paz, ao Bolivia, toerana nandraisan'ny mponina azy ireo ho toy ny maherifo. Manantena izy ireo fa hifanatri-tava amin'ny Filoha ary hahazo ny fankatoavany amin'ny hampitsaharana ny fametrahana lalambe migodàna hamakivaky ny ampahantanin-dry zareo.

Lahatsary: Anaty Rano i Amerika Afovoany

  20 Oktobra 2011

Nitondra oram-batravatra sy orana naharitra andro maro nanerana an'i Amerika Afovoany ilay andro ratsy 12-E, niteraka tondra-drano, fanakatonana ireo làlana sy lalambe migodana ary famindràna toerana olona. Amin'ny alalan'ity lahatsoratra ity no ahitantsika ireo fiantraikan'ny ranon'orambe nanerana ireo firenena maro ao Amerika Afovoany

Peace & Sport : Fifampiresahana sy Filaminana Amin'ny Alalan'ny Fanatanjahantena

  19 Oktobra 2011

Meday alimo nandritra ny Lalao Olaimpika 1984, tompondaka erantany amin'ny taranja pentathlon [dimy indray miaraka] maoderina tamin'ny 1987, Joël Bouzou no mpanorina sy filohan'ny Peace and Sport, fikambanana miaro ny fandriampahalemana amin'ny alalan'ny fanatanjahantena, niorina tamin'ny 2007. Te-handrafitra fandriampahalemana maharitra manerana ny tany ity tetikasa ity. Any amin'ny firenena izay idirany...