· Desambra, 2010

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Desambra, 2010

COP16: Famaranana avy amin'ireo Tanora Mpikaroka

  31 Desambra 2010

Niblaogy ireo tanora "mpikaroka" avy amin'ny Tetikasa Manangàna mpanelanelana nandritra ny Fivorian'ny Firenena Mikambana momba ny Fiovaovan'ny Toetr'andro, izay natao tany Cancun, Mexico. ireto ny santionany amin'ny fanambarana sy eritreritra farany momba izay nitranga tao amin'ny COP16 avy amin'ny fomba fijerin'ny fireneny trsirairay avy.

Karazana fahandroan-tsakafo Krismasy eo amin'ny Bilaogin'ny Sakafo amin'ny ankapobeny

  27 Desambra 2010

Midika hoe 'mody an-trano' ny Krismasy ho an'ny olona maro - nefa rehefa tsy mety izany, dia mety ho fampaherezana ihany koa ny mikarakara sakafo mahagaga. Nizara ireo nahandro fialan-tsasatra tena tiany ireo mpitoraka bilaogy manerana ny kaontinana maro. Miaraka amin'ireo, afaka manonofy ianao miverina an-tanindrazana na mitsidika toerana izay tsy mbola hitanao koa aza. Fa maninona ianao no mankalaza ny Krismasy amin'ity taona ity, ary inona no harosonao?

Venezoela: lany ilay volavolan-dalàna handrindràna ny aterineto

GV Mpisolovava  25 Desambra 2010

Tamin'ny Alatsinainy 20 Desambra lasa teo, dia nandàny ny volavolan-dalàna izay manome fahefana ireo Mpanatanteraka handrindra ireo zavatra rehetra azo tsidihana ao amin'ny Aterineto any Venezoela ny Parlemanta Venezoeliana. Amin'ny alalan'ny sampan-draharaham-pitantanana, ny CONATEL, dia manana andraikitra hisakana ireo zavatra rehetra mety hifandona amin'ny antoko faha 28 sy 29 ireo ISP mpanome tolotra aterineto rehetra any Venezoela

Venezoela: Fijery sy fisainana mikasika ny fandrindràna ny Aterineto

  14 Desambra 2010

Androany (14 Desambra), ny Antenimieram-pirenena Venezoeliana dia hiady hevitra mikasika ny fanavaozana ny rafi-pirenena momba ny fifandraisan-davitra, tafiditra anatin'izany ny fametrahana Toeram-Pidirana amin'ny Tambajotra, ny fanaraha-maso ny vontoaty rehetra ifampizaràna eo anaty aterineto, ary ny fandraràna sasantsasany amin'ny karazana vontoaty (filàna ara-nofo, herisetra, ary ireo "maneho fitondrantena tsy mendrika"). Raha manhgina tsy andrenesam-peo ireo mpanao politika Venezoeliana, dia naneho ny heviny kosa ireo mponin'ny aterineto mikasika ny fahitan-dry zareo an'ity volavolan-dalàna ity.

Chile: Bilaogy manohitra ny fanenana ny ora fampianarana ny Tantara

  13 Desambra 2010

Ny bilaogy Historia y Reforma [es] (Ny Tantara sy Fihavaozana) dia nanangona ireo “hevitra samy hafa manohitra ny fanenana ny ora fampianarana ny Tantara izay niparitaka tamina media  sy tambajotra ara-tsosialy samihafa. Mandritra izay fotoana izay ihany, dia afaka hahafantatra mikasika ireo hetsika isankarazany nokarakaraina mba hiarovana ny fampianarana ny...

Colombia: Tondradrano ao Riosucio, Chocó

  07 Desambra 2010

Noresahan'ny fampahalalam-baovao tranainy ny toetrandro ririna tao Colombia teo ary ireo tambajotra sosialy kosa dia niresaka momba ny tondra-drano, ny fihotsahan'ny tany sy ny hazo niongotra hatramin'ny fotony nitranga tany. Ny fampahalalam-baovaom-pirenena dia mitatitra fa 28 amin'ny departemanta 32 ao Colombia no voadona; tao amin'ny Twitter, amin'ny alalan'ny kaontin'ny Territorio Chocoano (@chocoanos), nanaraka ny toe-draharaha sarotra ao amin'ny Departemantan'i Chocó ao avaratra-atsinanan'i Colombia, indrindra indrindra ao amin'ny fari-piadidian'i Riosucio.