· Novambra, 2010

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Novambra, 2010

Ekoatera: Fanentanana “Diovy Quito” iadiana amin'ny siligaoma

  25 Novambra 2010

Efa mba noeritreretinareo ve hoe ohatrinona no lanin'ny fiadidian'ny tanàna hanesorana ny siligaoma mipetaka amin'ny lalana rarivato? An'arivony dôlara ny vola lany hanadiovana ny arabe hiadiana amin'ny fahazaran-dratsy manary siligaona amin'ny tany. Manao fanentanana amin'ny fanalana siligaoma mipetaka amin'ny tany sady mba mampadio kokoa ny renivohitra ny fiadidiana ny tanàna sy ny sakoly maro ao an-toerana.

Amerika: Tsiaro an'aterineto mpifindra monina 72 tratran'ny famonoana faobe

  22 Novambra 2010

Taorian'ny roa volana farany teo, dia nanangana tetikasa amin'ny alalan'ny aterineto ilay mpanao gazety fanta-daza Alma Guillermoprieto vokatry ny famonoana olona miisa roa amby fitopolo niseho tao amin'ny firenena Meksikan'i Tamaulipas tamin'ny volana Aogosotra taona 2010. Ny 72migrantes.com dia vohikala natao hanehoam-pahatsiarovana an'ireo mpifindra monina novonoina ho faty.

Chiapas: fisamborana tsy misy didy natao tamina mafàna fo amin'ny Rindrankajy Malalaka (Logiciel Libre)

GV Mpisolovava  14 Novambra 2010

Chiapas no mpisava làlana tamin'ny fampiasàna ny zoto an-tserasera dizitaly tamin'ny hetsika sosialy be mpahalàla. Tamin'ny 1994 izy no nanomboka niaraka tamin'ny hetsiky ny Zapatista ary mitohy hatrany ho fitaovana fanomezana hery ireo mpihoko. Manome safidy vaovao ho an'ny haino amanjery dizitaly - gazety an-tsoratra sy fampitam-peo izy - manampy ireo Chiapanecos handrafitra ny rindrankajiny azy manokana izy - manna hatramin'ny hackerspaces ry zareo ao anatin'nyu vondrom-piarahamoniny mahaleotena toy ny Oventic sy ny Tzajala - ary mitombo hatrany foana ny vondrom-piarahamonin-dry zareo araka izay azonao jerena ao amin'ny Chiapatuit, Fedora sy ny vondrom-piarahamonin'ny rindrankajy malalaka (Logiciel Libre)

Chili sy Chine: Famonjena ireo mpitrandraka ankibon'ny tany

  11 Novambra 2010

Ny vaovao mikasika ny  fanavotana ireo mpitrandraka harena ankibon'ny tany nahombiazana nataon'ny fanjakana tany Chili tamin'ny 14 oktobra no narahan'ny loza nitranga tamin'ny toerana fitrandrahana an-kibon'ny tany tao Pinyu, ao amin'ny faritanin'i Henan any Chine tamin'ny 16 oktobra. Ity loza tany Chine ity, vokatry ny fipoahan'ny entona sy ny vovoka saribao,...

Chile: Mpianatra Manao Dia Lavitr'ezaka Maherin'ny Arivo Kilaometatra ho an'ny Fanabeazam-Bahoaka

  11 Novambra 2010

Mpianatra Siliana telo avy amin'ny Anjerimanontolo no nanomboka Dia lavitr'ezaka tamin'ny 30 Septambra lasa teo. Manao ilay Dia lavitr'ezaka ry zareo ho an'ny Fanabeazana Siliana ary hanàla 1000 km mahery manerana an'i Chili mandrapaha-tongany any Santiago renivohitra. Mandeha am-pilaminana ry zareo ho fanoherana ny fanomezana ny fitantànana ny fanabeazana ao amin'ny firenen-dry zareo ho an'ny tsy miankina.

Kiobà: Fiaraha-mientana an-tserasera taoriana fianjerana voromby

  09 Novambra 2010

Nisy voromby nianjera tany akaikin'ny tanànan'i Guasimal, miorina eo ho eo amin'ny 15 kilometatra avy eo amin'ny faritanin'i Sancti Spiritus afovoan'i Kiobà. 68 ny isan'ny maty. Minitra vitsivitsy toriana dia nifampita vaovao momba ity lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona ity tamin'ny alalan'ny Twitter ny Kiobàna.

Però: Tompondaka manerantany tamin'ny lalao surf

  08 Novambra 2010

Nanomboka tamin'ny faha 19 Oktobra, nandeha tany Però ny mpilalao 'surf' avy ao Però, Kanadà, Alemaina, Goatemalà, Aostralia, Japana, Frantsa, Ekoatera, Orogoay ary Afrika Atsimo mba handray anjara amin'ny Fiadiana ny ho tompondaka manerantany Billaboing ISA lalao 'surf' taona 2010. Tompondaka tamin'izany ny Peroviana.

Costa Rica: Ady sisintany amin'i Nikaragoa

  08 Novambra 2010

Raha asa fanadiovana tsotra sy fanalàna tsentsina tamin'ny reniranon'i San Juan River no niantombohany, sisintany voajanahary eo anelanelan'i Costa Rica sy Nikaragoa, dia nivadika kosa ho fifanolànana ara-diplaomatika sy ara-tafika.. Taorian'ity lahatsoratra ity navoaka tamin'ny teny Espaniola, maro ireo loharano nitatitra ny maha-voasaringotra an'i Google amin'ity ady sisintany ity.

Però: Fanentanana isorohana ny fanakatonana tranomboky any Amazonia

  07 Novambra 2010

Mitatitra ny amin'ny fisiana fanentanana fanoherana ny fanakatonana tranomboky  any Iquitos, Però miompana amin'ny tahirin-kevitra momba an'i Amazonia i Juan Arellano avy ao amin'ny Globalizado [es]. Io tranomboky io no faharoa manandanja indrindra momba io lohahevitra io any Amerika Latina.