· Mey, 2010

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Mey, 2010

Chile: Ny fahaterahana indray taorian'ny voina vokatry ny horohorontany

  27 Mey 2010

Ity lahatsoratra manaraka izay naverina navoaka ity no nahazo ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana blaogy tao amin’ny “Global Voices” niaraka tamin’ny “ OCD Iberoamérica. Ireo hafa tafakatra tamin’ny dingana famaranana dia efa notaterina tany amin’ny lahatsoratra teo aloha.

Uruguay: Diabe ampahanginana ho fahatsiarovana ireo voafonja nanjavona

  26 Mey 2010

Tato anatin'ny 15 taona nifanesy, isaky ny 20 May dia mifamory ao Montevideo ny Uruguayans mba handray anjara amina diabe am-pahanginana ho fahatsiarovana ireo novonoina sy nanjavona nandritry ny jadona miaramila izay nanomboka ny 1973 ary nifarana tamin'ny 1985. Ny vondrona Mujeres y Familiares de Detenidos Desaparecidos (Vady sy fianakavian'ireo voafonja nanjavona) no nikarakara ny diabe, ary tamin'ity taona ity ry zareo dia nanomana video iray [es] izay ilazan'ny mpitondra teny iray avy amin'ny vondrona mikasika ny niandohan'ny Diabe sy anazavan-dry zareo ny ady ataony

Chili: Tolo-kevitra avy amin'ny mpizahantany

  26 Mey 2010

Ao an-tanànan'i Arica, any Chili ny mpamaham-bolongana Tomás Bradanovic no nanoratra hoe “tokony hihaino ny mpizahantany isika [es],” fa maro diamaro manko ny mailaka azony avy amin'ny mpizahantany izay saiky manolo-kevitra avokoa amin'ny fanatsarana ny fikarakarana ny mpitsidika, ka tafiditra amin'izany ny fanomezana safidy ho an'olona tsy mihinan-kena, ny fidirana...

Amerika Latina: Fankalazàna ny Andron'ny Aterineto isam-paritra

  23 Mey 2010

Ny Andron'ny Aterineto dia hetsika fanao any Espana nanomboka tamin'ny taona 2005 ka niparitaka maneran-tany izay isaorana ny Firenena Mikambana, nanondro ny 17 Mey ho Andro Iraisam-pirenenan'ny Fiaraha-monin'ny fampahalalam-baovao. Tamin'ity taona ity, nisy hetsika maro naparitaka sy notontosaina tamin'ny alalan'ireo blaogy sy Twitter nanerana ny firenena maro any Amerika Latina....

Meksika: Fanambarana ny heloka nataon'ny pretra Maciel

  21 Mey 2010

Niteraka resabe ny fanadihadihana natao vao haingana mikasika ny heloka nataon'nyMompera Marcial Maciel, mpanorina ny fikambanana Legion du Christ, izay niharan'ny fanamelohana marobe momba ny fametavetana ankizy tsy ampy taona nanomboka tamin'ny taona 1990 hatramin'ny taona 2008 nahafatesany. Ankoatry ny vonoan'olona, dia fantatra fa teo ambany fiarovan'ny mpitondra fivavahana ambony manakaiky...

Paragoay: Ny fahafatesan'ilay mpanao gazety Santiago Leguimazon 19 taona lasa izay

  17 Mey 2010

Nankalaza ny andron'ny mpanao gazety i Paragoay ny 26 aprily lasa teo, daty hahatsiarovana ny 1845 nivoahan'ny gazety “El Paraguayo Independiente”, gazety voalohany tany an-toerana. Fanampin'izany, manan-danja lehibe amin'ny mpanao gazety paragoiana ity daty ity satria tamin'ny 26 aprily 1991 no nisy nitifitra ny naman'izy ireo anankiray ka maty tao...

Puerto Rico: Fihaonan'ireo mpitoraka blaogy

Nandray anjara tamin'ny fihaonana faharoan'ireo mpitoraka blaogy natao omaly tany Caguas, Puerto Rico, ireo mpitoraka blaogy, mpanao gazety, mpandraharaha, ary ireo mafana fo. Niresaka momba ny fampiasana ny blaogy ho toy ny  fitaovana fampidiram-bola ireo mpandray anjara, ny toeran'ireo vehivavy ao anaty ny tontolon'ny blaogy, ny fitorahana blaogy mikasika ny...

Meksìkô: Fidàngan'ny maripàna ao an-drenivohitra

  14 Mey 2010

Nisedra fidàngan'ny maripàna, ny tanànan'i Meksìkô [ndlr. renivohitry ny firenena Meksìka], arak'izay nampitain'i Daniel Hernández mpivoy ny blaogy Intersections [Sampanana], satria nahatratra hatramin'ny 50°C ny maripàna tsikaritra any amin'ny sasantsasany amin'ireo seranan'ny metro [ndlr. fitateram-bahoaka an-dalamby miriòrio ambanin'ny tany].

Orogoay: Tatitra an-tsary fanatanterahana sarinjatovo

  06 Mey 2010

Ny blaogy Con la Cámara en el Bolsillo [miaraka amin'ny saripika ao am-paosiko] dia mitatitra sy manapariaka sary avy any amin'ny faritry ny tanànan'ny Montevideo, (renivohitry) Orogoay. Vao tsy ela i Fonzi no nanapariaka tatitra an-tsary fanatanterahana sarinjatovo amin'ny rindrina iray [es].