· Aogositra, 2009

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Aogositra, 2009

Repoblika Dominikana: Ho voavaha ve ny olan'ny delestazy?

  20 Aogositra 2009

Isaky ny faha-16 Aogositra any amin'ny Repoblika Dominikana, dia fahazaran'ny governemanta amin'io daty io satria feno indray ny taona niasany, ny fanoloan'ny filoha Leonel Fernández ny mpikambana sasantsasany ao amin'ny governemantany. Tsy dia nisy loatra ny fanovana lehibe, fa nisy kosa ny iray izay niteraka adihevitra. Ny filoha lefitry ny...

Pero: Tsy mbola tafarina ny rava 2 taona aty aorian'ny horohorontany

  20 Aogositra 2009

Feno 2 taona tamin'ny 15 aogositra teo ilay horohorontany nitranga tany atsimon'i Pero, voakasika indrindra tamin'izany ny faritry Ica, Pisco ary Nazca. Voakasik'izany ihany koa ny faritra manakaiky tendrombohitra hafa tahaka an'i Huancavelica. 2 taona izay no lasa taorian'iny horohorontany iny kanefa araka ny fantatra dia zara fa misy ny...

Bolivia: Fetin'i St Roch ho fanomezam-boninahitra ny alika

  18 Aogositra 2009

Isaky ny 16 Aogositra no hankalazan'ny Boliviana ny fetin'ny St Roch (na San Roque amin'ny teny Espaniola), izay olo-masina mpiaro ny alika. Mety ho tsy dia malaza manerana ny firenena ny tantaran'ity olo-masina Frantsay ity, saingy manararaotra ihany ny Boliviana hanome fotoana manokana ny biby fiompiny ao an-trano. Mety ho...

Kioba: Ny Maleconazo

  18 Aogositra 2009

Ny 5 Aogositra dia manamarika ny tsingerintaona faha-15n-n'ny fitraorana lehibe indrindra natrehin'ny governemanta revolisioneran'i Castro hatramin'ny taona voalohany nandresen'ny revolisiona: Ny Maleconazo

Porto Rico: miady tanim-panjakana

  15 Aogositra 2009

Mponin'i Villas del Sol – saripikan'i José Antonio Rosario nahazoana alalana tamin'ny Prensa Comunitaria. Vao namoaka didy ny fitondrana Porto Rikana hanaisotra any Villas del Sol fokontany any Toa Baja, fianakaviana miisa 200 lazainy fa mibodo ny tany izay mora tratran'ny tondra-drano. Nandefa gazy mandatsa-dranomaso ny mpitandro ny filaminana ary...

Uruguay: CIP, Vohikala ho an’ireo horonantsary sy ireo sarimihetsika fohy

  14 Aogositra 2009

Antsoin-dry zareo hoe fomba iray hafa hamoahana ireo video vokariny izy ity mba tsy hifaninanany amin’ireny video novokarina tany an-trano ho fankalazana tsingerintaona ireny, ireo videoan-tsaka ary ireo horonantsarin-kira ho an’ny karaoke. Tanora roa avy any Uruguay no nanapa-kevitra hanova ny zava-misy ka namorona ny Cip, vohikala natokana hanehoana ny sarimihetsika novokarin'ireo mpamokatra horonantsary mahaleontena, izay afaka maka ny sarimihetsika nataon-dry zareo avy any amin’ny toeran-drakitra any ary mizara izany amina fiaraha-monina midadasika kokoa

Ekoatora: Ny fahalasanan'ilay mpanoratra Jorge Enrique Adoum

  10 Aogositra 2009

Mitomany ny fahalasanan'i Jorge Enrique Adoum ireo Ekoatorianina, izay nolazain'i Pablo Neruda nahazo ny loka Nobel indray fa "ny ngezalahy amin'ireo poety any Amerika Latina." Maro ny mpitoraka blaogy miombon-kevitra amin'izany, indrindra fa nanolotra fahatsiarovana manokana an'i "Jorgenrique," izay nanampy tamin'ny fametrahana mari-pamantarana ny asa fanoratana teo amin'ny firenena, ireo mpitoraka blaogy ireo, niaraka tamin'ireo mpanoratra sy mpanakanto hafa.

Arzantina: Manao izay hanakatonana bolongana ny vondrona media Clarín

  09 Aogositra 2009

Volana vitsivitsy lasa izay ny Global Voices no namoaka lahatsoratra miresaka momba ny vondrona fampahalalam-baovao marolafy arzantina hoe Clarín izay nanery ny YouTube hanakatona ireo mpikambana mampiasa ny rakikira an-tsary avy amin'ny programany vaovao ka mampiasa ireny ho toy ny hoe azy ny rakikira, nefa ny ankamaroany dia mitsikera ny...