· Febroary, 2009

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Febroary, 2009

Colombia: Tratra ny fitsikilovana ara-pifandraisana tsy manara-dalana

  26 Febroary 2009

Tamin’ny herinandro lasa teo, nabaribarin’ny Semana news magazine fa ireo mpiasa sasany tao amin’ny birao misahana ny fiarovana (DAS ny raikipohy amin’ny teny Espaniola), « polisy miafina » an’i Colombia, dia efa nanao fandraisam-peo tsy ara-dalana ireo mpanao politika, ny mpanao gazety, ny mpitsara, ireo manampahaizana, ary – tamin’ity indray toraka ity – dia ny mpiandraikitra ao amin’ny governemanta mihintsy izay tena akaiky an’i Filoha Alvaro Uribe, koa anisan’izany koa ny Sekreterany manokana ara-dalana sy ny mpiandraikitra avy ao amin’ny birao misahana ny fiambenana azy manokana. Ny ratsy indrindra, araka ny voalaza ao amin’ny boky mpiseho isan’andro (magasine), dia toa hoe namidin’ireto polisy sasantsasany tamin’ny « mpanera govana », antsoina amin’ny anarana hoe guerrillas, mpiantafika na mpanodikodina rongony, ireo loharanom-baovao azo avy tamin’ny horonam-peo an-telefonina tsy ara-dalana. Taitra ny mpamaham-bolongana manoloana ny fanambarana.

Iran: Voafonja ny mpianatra manohitra ny fandevenana ireo maty maritiora

  26 Febroary 2009

Mihoatra ny 70 ireo mpianatra avy ao amin’ny anjerimanontolo Amir Kabir tao Teheran no voasambotra androany, Talata 24 Febroary, rehefa nanao ny fihetsiketsehana manohitra ny famindrana razana maty maritiora tsy fantatra anarana tamin’ny adin’ny Iraka sy Iran izay alevina ao amin’ny toeran’ny anjerimanontolo. Jereo ny horonantsarin'ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny fihetsika voalohany ao amin'ny tontolon'ny bolongana (blogosphere)

Ekoatera: Resadresaka miaraka amin'ny mpandresy tamin'ny blaogy Amerikanina Latina tsara indrindra

  26 Febroary 2009

Na dia tsy afaka nandeha tany Espana[es] mba hahazo ny loka (prize) amin'ny “Blaogy Latina Amerikanina tsara indrindra”  tao anatin'ny fifaninanana[es] notohanan'ny mpampahalala vaovao  Espaniola 20 Minutos aza,  Carlos Suasnavas dia nahazo voninahitra tamin'ilay mari-pahatsiarovana ary nanolotra izany kosa ho an'ireo mpamaky azy. Ny blaogy, izay iarahany manoratra amin'i Evan...

Kioba : Fampisehoana ny Nova Baire, fomba fitrandrahana ny Open-Source Operating system

  17 Febroary 2009

Tamin'ny vokatry ny fikarohana natao tao amin'ny Anjerimanontolon'ny fampahafantarana sy ny Haitao eto La Havanne[es] (raikipohy UCI amin'ny teny espaniola) any Havane dia namoaka ny fomba fitrandrahana infôrmatika “open-source Linux operating system”  azy manokana koa ny governemanta Kiobana. Antenain-dry zareo fa ovaina ho amin'io fomba fitrandrahana vaovao nomeny ny anarana hoe Nova Baire...

Paragoay : miresaka ny tantarany ireo mpifindra monina

  11 Febroary 2009

Efa tantara mahazatra izy ity manerana an'i Amerika Latina, izay hikarohan'ny mpifindra monina ny tany tsaratsara kokoa amin'ireo firenena mifanolo-bodirindrina aminy na any amin'ireo firenena lavitra. Tsy hafa fa mitovy amin'izany koa ry zareo Paragoiana izay mandao ny namany sy ny fianakaviany mba hitady ny tsaratsara kokoa, na izany ao...

Chili: fiainana andavanandro atao blaogy horonantsary

  05 Febroary 2009

Avy any Chile, nitondra antsika ny tantarany isan'andro i Paloma Baytelman ary koa sehon-javatra tsy dia fahita firy ao anatin'ny blaoginy. Dadabe noely misaofera, fifidianana, sy fanadalana nataon'ny olona mifono seho-endrika no isan'ireo zavatra nampidiriny ao anatin'ny tranok'alany.