Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Janoary, 2008
Brezila: Ho Fampitam-baovao ekena amin'izay ve?
Cardoso [pt] izao manko no iray amin'ny mpamaham-bolongana nasaina hamahavaha ny momba ny “Firohotana ho amin'ny blaogy (bolongana) – izao ve ny fotoana hanekena azy ho fantsona fampitam-baovao?” izay hanatontosana any Brezila amin'ny volana marsa ny fihaonambe faratampony iraisam-pirenena mikasika ny fifandraisana niomerika. Nolazainy fa tena zava-dehibe tokoa ity fihetsiketsehana ity...
Honduras: Iharana sy vavolombelona famonoana olona
Mbola lohahevitra mafotaka any Honduras amin'izao fotoana izao ny resaka famonoana olona (na heloka bevava), vao nisy mpamaham-bolongana roa indray manko no tratran'ny fanafihana ary nahita maso ihany koa ny fandrobana nampihoro-koditra. Aaron Ortiz ao amin'ny Pensieve [es] ohatra dia voaroba tany amin'ny faritra heverina ho voaro indrindra amin'ny resaka fandriampahalemana sady...
Pôrtigalasfera : Ny avotrain'ireo zaza
Vao tsy ela no napariaka ny taham-pahafatesan'ireo zaza latsaky ny 5 taona ny UNICEF. Isan'ireo tsoakevitra napoitran'izany tatitra izany ny hoe i Angôla, i Guinea Bissau, i Môzambika, Saô-Tôme sy Principe, Timôr Atsinanana sy Cap Vert dia samy manana taham-pahafatesan'ny ankizy izay manoatry izay heverina ho tokony ho izy, i...
Brezila: Nampihatra ny jadona i USA
Nanomboka namoaka andian-dahatsoratra mikendry ny handika ho amin'ny teny paortiogey ny antontan-taratasy ofisialy (an'ny fanjakana) miresaka ny nanohanan'i Etazonia ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 1964 nitranga tany Brezila Luiz Carlos Azenha [pt], Amin'izao fotoana izao moa dia hita ao amin'ny tahirin-kevitry ny Sekoly Ambony momba ny fiarovam-pirenena George Washington no misy...
Brezila: feno 24 taona ny hetsiky ny mpiasa tsy manan-tany
Mankalaza ny faha-24 taona nijoroany ny 24 janoary ny vondron'ny mpiasa Breziliana tsy manan-tany (iasana). Namoaka sary fotsy sy mainty mahafinaritra i João Valente Aguiar [pt] ary manazava azy ho fihetsiketsehan'ny vondron'olona miady ho amina endrika fiaraha-monina hafa. Hetsika izay tratran'ny fampisamborana, fampijaliana, ary hatramin'ny famonoana ho faty matetika aza noho...
Brezila: Hankalazaina eo amin'ny Second Life ny faha-454 taona nijoroan'i São Paulo
Andre Lemos [pt] no mitantara fa, notokanana ny lalamben'i Second Life ao amin'ny tontolo virtoaly (nofy voarakitra) ao amin'ny Nosy Vaovaon'i Brezila (183, 182, 41). “Olona 20 000 farafahakeliny no antenaina handray anjara amin'ny fankalazana ny fanokanana ity nosy vaovao (virtoaly araka ny fahazoako mpandika teny malagasy azy) ity”.
Brezila : Hanisa ny tratran’ny vono-olona
Noarahabain’i PE Body Count [pt] ny vaovao henony fa misy vohikala vaovao ihany koa hanisa sy hametraka ny isan’ny famonoana olona ao amin’ny faritry Alagoas. “Raha te-hiady amin’ity heloka bevava ity dia tsy maintsy resy lahatra fa tena misy tokoa ilay zavatra. Ny ataonay dia ny hanisa ny famonoan’olona ary...
Brezila : Ny filazam-baovao no nampikorakapa ny resaka tazovony
Nabaribarin’i Luiz Carlos Azenha [pt] ilay filazam-baovao nampikorapaka ny rehetra milaza ny tokony hanaovana ny vakisiny itambaram-be hiarovana amin’ny tazovony no mailaka amin’ny fanakianana ny governemanta ankehitriny. “jereo ny fomba ankolaka ataon’ny [gazety] Estadão, fa tsy misy mihitsy ny filazana ny andraikitry ny filazambaovao tamin’ny fampikoropahana ny olona tahaka ity...
Kioba : Fifidianana sy ethanol
Manorotoro ny fomba fifidianana ny mpikambana parlemanta Kiobana i Child of the Revolution (Zanaky ny Revolisiona) ary indro kosa ny nampitain’i The Cuban Triangle mikasika ny “fiaraha-miasa ara-toe-karena eo amin’ny Kioba sy Venezoela vokatry ny fifanarahana hiaraka hanao tetiksa miisa 76 mitentina $1.300.000.000 nosoniavina omaly.”
Brezila: Mampifidy an'i Gabeira ho Ben'ny tanàna'i Rio de Janeiro
Tian'i Pedro Dória [pt] hirotsaka ho Ben'ny tanàna'i Rio de Janeiro ny depiote Fernando Gabeira [pt] ary mandresy lahatra ny tontolon'ny mpiblaogy (tontolom-bolongana na blogosphere) sy ny mpamaky rehetra izy hivondrona hampisongadina ny anarany. “Efa tonga ny fotoana hanaovana fampielezan-kevitra amin'ny aterineto amin'izay. Mety ho tratra ny tanjona rehefa maromaro isika...