Tantara mikasika ny Amerika Latina
2.202 andro taoriana, nahazo valiny tamin'izay mety ho nanome baiko hamonoana an'i Marielle Franco ny breziliana
Rehefa nanontany izay namono an'i Marielle Franco ny breziliana, dia nisambotra olona telo voarohirohy ho nanome baiko hamono ny polisy federaly, ka anisan'izany ny lehiben'ny polisy tao Rio taloha.
Ao Brezila, hatramin'ny nitondran'i Bolsonaro, nihena ny daroka mpanao gazety fa mitombo ny fitoriana eny amin'ny fitsarana
Nasehon'ny firaketana (andron-drakitra fa nihena ho 181 tamin'ny heriantaona ny karazan-kerisetra nihatra tamin'ny matihanin'ny fampitam-baovao, raha nitombo 92,31 isanjato kosa ny fitoriana mpanao gazety teny amin'ny fitsarana.
Aiza ho aiza izao ny adihevitra momba ny “euthanasie” any Amerika Latina ?
Mitondra indray ho eny alohan'ny sehatra ny resaka 'ethanasie' ao Amerika Latina ny raharaha iray vao haingana nomen'ny mpitsara iray ao Ekoatora alàlana. Ahoana no hanazavana ny tsy fisian'ny fandrosoan'ny fanaovana lalàna momba ny "euthanasie' ao amin'ny faritra?
Paragoay: nitombo 243% ny fitarainana momba ny herisetra an-tokantrano teo anelanelan'ny taona 2015 sy 2023.
Mbola lavitra ny lalan'ny governemantan'i Paragoay momba ny politikam-panjakana mifantoka amin'ny fisorohana sy ny fifehezana ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy ao amin'ny firenena.
Nodimandry ny filohan'i Shily teo aloha Sebastián Piñera: Lahatsoratra miisa dimy milaza ny lova navelany
Taorian'ny nahafatesan’ny filoha teo aloha Sebastián Piñera, nanolotra lahatsoratra an-gazety miisa dimy mba hamantarantsika ny lovany ireo mpikambana ao amin'ny Red LATAM de Jóvenes Periodistas
Fandrika ho an'ny fitondrana Sandinista any Nikaragoa ny vola fisotroan-dronono
Tsy dia miraharaha loatra ny fahanteran'ireo mpanao fihetsiketsehana ny fitondrana Sandinista raha ny mahakasika ny fanagadrana azy ireny, ka nitarika ny ampolony tamin'izy ireny niafara tany amin'ny fonjan'i Nikaragoa ho toy ny gadra politika.
Nofoanan'ny Fitsarana Tampony ao Però ny fizotram-pitsarana fanamombàna ankaterena nandritra ny fitondran'i Fujimori
Tonga izao fanapahan-kevitry ny Fitsarana Tampony izao vokatry ny fitorian'ny minisitry ny fahasalamana teo aloha nandritra ny governemanta Fujimori, mba tsy hitsarana azy amin'ity raharaha ity.
Lahatsoratra valo hahatakaranao ny herisetra ao Ekoadaoro
Manangona ireo lahatsoratra, tatitra ary votoaty izay manampy amin'ny fanomezana ny odidina sy manazava ny toe-draharaha iainan'i Ekoadaoro anjakan'ny herisetra izahay ato.
Tondra-drano any Brezila, nanjary adihevitra nasionaly ny fanavakavahana ara-tontolo iainana
Niteraka fahafatesan'olona 12 sy faharavana tamin'ny volana Janoary ny tondra-drano sy ny oram-be tany amin'ny fanjakan'i Rio de Janeiro. Taorian'ny nanamarihan'ny minisitry ny fitoviana ara-poko Anielle Franco ny fanavakavahana ara-tontolo iainana, dia niteraka adihevitra nasionaly io teny io.
‘Marta’, lasa loka iray ho an'izay baolina maty tsara indrindra amin'ny tontolon'ny baolina kitra vehivavy
In'enina voafidy ho mpilalao tsara indrindra maneran-tany ary miaraka amin'ireo 20 taona mahery nilalaovany, lasa olo-malazan'ny baolina kitra breziliàna ilay Breziliàna atlelta Marta Vieira da Silva, no sady mpiady ho an'ny fitovian-jo