The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Ukraine Tahiry Firenena

RSS ho an i Ukraine

2008-04-22

Tantara ,
Lalàna

Misy loharanom-baovao milaza fa ny rain'i Victor Yushchenko izay lazaina fa - “babo an'ady tao Auschwitz nandritra ny ady lehibe faharoa - dia polisin'ny Nazi no tena marina sady mpanome vaovao ny Nazi.” Misy koa ny loharanom-baovao manambara fa “niasa tamin'ny tafika niara-dalana tamin'ny Nazi notarihin'ilay jeneraly Rosiana Vlasov.”ny rain'i Vladimir Putin. Miresaka momba ireo lahatsoratra ampiady hevitra ireo eto sy eto i Kyiv Scoop.

2008-01-16

Fandraharahana ,
Tantara

Window on Eurasia indray no mamintina ny boky vaovao momba ny Sovietika fartsovshchiki: “ Niroborobo tokoa ny ‘fartsovka' nandritra ny taompolo 1970 sy 1980 ka heverin’i Vasil’yev fa misy tarika enina samihafa miditra amin’ny sehatry ny fitadiavan’entana - fiasana amin’ny hotely fandraisambahiny, tantsambo any amin’ny sambo Sovietika, fiarabe mandeha lavitra, fandraisana anjara anatina ekipa, mpitarika mpizahatany, ary misy koa ireo mivarotra “ivelan’ny hotely” sy ireo mivarotra ny entana amin’ny hafa. Mitantara hatramin’ny antsipiriany madinika indrindra ny tsirairay amin’ireo tarika ireo i Vasil’yev, ary manampy be dia be amin’ny famintinana ireo tsikaritra isa-tarika hitan’i Vasil’yev ny lahatsoratra napetrany amin’ny aterineto.”

2007-12-21

Tantara Sovietika : Ny hetsiky ny mpianatra Afrikana tamin'ny taona 1963

Ny blaogy De Rebus Antiquis Et Novis izay miblaogy momba ny vaovao sy tantara mikasika an'i Rosia, dia mampahatsiahy mikasika ny hetsika vitsy mpahalala izay nataon'ny mpianatra Afrikana tamin'ny taona 1963 teo amin'ny kianja Mena anivon'ny tanànan'i Maosko [Red Square | Place Rouge], mpianatra 500 no indray niray hina ho fanoherana ny ...