· Oktobra, 2011

Tantara mikasika ny Okraina tamin'ny Oktobra, 2011

Okraina: Ny Filoha Yanukovych Ao Anatin'ny The Simpsons?

  14 Oktobra 2011

Ny tantara farany nivoaka tamin'ilay andian-tsarimiaina The Simpsons dia nieli-patrana tany Okraina noho izy nanao kisarisary mampihomehy momba ny firenena sy ilay jiolahy mafia any Kiev antsoina hoe Victor, izay, araka ny navoitran'ny mpiondana aterineto, dia mitovy amin'ny Filoha Okrainiana Viktor Yanukovych.

Okraina: Sarimihetsika Fanadihadiana Vaovao Manasongadina ny Fiainan-dry Klitschko Mirahalahy sy ny Asany

  13 Oktobra 2011

Diso fantatra amin'ny hoe "The Klitschko Brothers" - "Ry Klitschko Mirahalahy ", ireo Okrainiana Vitali sy Wladimir Klitschko no nibahana ny divizionan'ny lanja mavesatra rehefa nisintaka i Lennox Lewis tamin'ny 2004. Na izany aza, ny horonantsary fanahihadiana ny fiainany mitondra ny lohateny hoe Klitschko, navoakan-dry zareo (azo jerena eto ny ampahan-tsary fampahafantarana), hatramin'ny nofinofy ara-politikan'ilay zokiny indrindra amin'izy mirahalahy, Vitali, dia maneho fa ireto lehilahy ireto dia tsy vitan'ny hoe atleta tsotra fotsiny.