· Mey, 2011

Tantara mikasika ny Okraina tamin'ny Mey, 2011

Teknolojia ho amin'ny fangaraharana: Tatitra farany

  26 Mey 2011

Faly ny Tambajotran'ny teknolojian'ny fangaraharana fa mivoaka izao ny tatitra farany , Sarintanin'izao tontolo izao momba ny fampiasana ny teknolojian'ny fangaraharana sy ny asa madio. Vao navoakan'ny Transparency and Accountability Initiative (@TAInitiative) miaraka amin'ny tatitra am-polony hafa momba ny hetsika fampangaraharana asa manerana izao tontolo izao izy io. Mifototra amin'ny...

Okraina : Mibilaogy hamantarana ny momba ny tena

Rising Voices  20 Mey 2011

Ho an'ireo mpidoroka zava-mahadomelina, mitondra fiovana azo tsapain-tanana eo amin'ny fiainany ny fitsaboana amin'ny alalan'ny fanoloana [izay iankinana]. Ny fiverenana amin'ny fiainana mahazatra taorian'ny fahazarana  mampiasa tsindrona zava-mahadomelina teo amin'ny fiainana, dia mitaky fiovana tsy eo anivon'ny fomba fiaina ihany fa fiovana koa eo anivon'ny toe-tsaina. Tokony hihevitra indray ny momba ny fiainany,...

Okraina: Mpanao politika mpisera ao amin'ny Facebook sy Twitter

  12 Mey 2011

Mihoatra ny iray tapitrisa izao ny vahoaka Okrainianina mampiasa [uk] Facebook ary mihoatra ny 80,000 ireo mpampiasa [en] Twitter, mihamaro dia maro ireo mpanao politika Okrainiana no misafidy ny hiditra mpikambana amin'ireo tambazotran-tserasera ireo. I Tetyana Bohdanova dia nanome lanja ny fikarohana sasany izay nataon'ny tompon'andraikitra Okrainiana eo amin'ny resaka aterine sy ny vohikalan'ny haino aman-jery mpifaninana ara-tsosialy rehetra Watcher.com.ua mametraka rafitra ahafahana mijery ny filahatr'ireo mpanao politika manana ny lazany ireo amin'ny alalan'ny kaontin'izy ireo eo amin'ireo tambazotran-tserasera Twitter sy Facebook.