The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Ukraine Tahiry Firenena

RSS ho an i Ukraine

2009-05-25

Rosia: “Mpamaham-bolongana malaza”

Any amin'ny tontolon'ny endri-tsoratra Sirilika (grika sy rosiana) ao amin'ny LiveJournal dia ny isan'ny mpamaky  - “namana” -misoratra ao amin'ny bolongana iray no iray amin'ny fepetra mamaritra ny laza (na “hery”) ananany. Ny mpamaham-bolongana manana “namana” arivo raha vitsy indrindra dia antsoina hoe tysyachniki (avy amin'ny voambolana rosiana hoe tysyacha, ...

2009-04-17

I Rosia, i Iokraina, ny helotanin’ny Balkana: Vaovao entin’ny Eurovision

Efa ho tapitra ny fifandirana nentin’ny fifaninana hira tao anatin’ny sehatra Eurovision ao Georgia(na, nohon’ny fomba fijerin’ny sasany, dia tonga teny amin’ny teboka farany ambony izany), satria moa ankehitriny dia nanapa-kevitra ny tsy handray anjara amin’ny ity sehatra izay tontosaina amin’ny herintaona ao Moscow ity intsony I Georgia, dia ity manaraka ity no fangatahan’ny firaisan’ny fampielezam-peo Eropeana izay fantatra fa nanova ny tononkira mitondra ny lohateny hoe “We Don’t Wanna Put In” (tsy ilainay Put In) na mety hafa mihintsy ilay hira nampidirina. Kanefa dia nahitana fifandirana ihany koa ny hira nampidirin’ny Rosia ankehitriny

2009-03-14

Fiombonambe Eropeana-Ukraine: Resaka fifanatonana.

Nambara ampahibemaso tao amin'ny EU-Ukraine Summit tany Paris tamin'ny 9 septambra ny fikasan'ny Fiombonambe Eropeana  hanamafy  ny Fifanekem-piaraha-miasa miaraka amin'ny Ukraine tamin'ny 2009. Fomba samihafa no nentin'ny haino aman-jery sy ny mpitoraka blaogy maro nandray izany. “Manolotra antoka ho an'i Ukraine ny Fiombonambe Eropeana,” hoy ny lohatenin'ny BBC. “Tsy mampanantena na ...

2009-03-08

Eropa: Fitsidihan'i Obama atsy ho atsy sy ireo fanamarihana momba izany

Manomana fitsidihana any Grande-Bretagne, Frantsa, Alemana ary ny Repoblika Czech ny Filohan'i Etazonia Barack Obama amin'ny volana ho avy io, mandritry ny fivoahany voalohany mitsidika an'i Eropa taorian'ny nahalàny azy. Anatin'ny hafany mitondra ny lohateny hoe “Te-hihaona aminy daholo izy mianakavy.” dia izao no nosoratan'i P O Neill ao amin'ny A ...

2009-02-25

Iokraina: “Nasionalista Iokrainiana miteny rosiana”

Tafapetraka ao anatin’ny lisitra faha-4 malaza indrindra ao amin’ny Yandex Blogs ireo izay tafiditra ao anatin’ity bolongana ity(RUS), bolongana iforonan’ireo tsikera an-jatony. Manazava etona ny dikan’ny hoe “Nasionalista Rosianina – Iokrainianina” ny mpampiasa Li antsoina hoe alek-ya:

2008-10-21

Cyber-Activism ,
Aterineto & Fifandraisan-davitra

Michelle Knisley ao amin'ny Greetings from Kyiv (arahaba avy aty Kiev) no mamelabelatra ny heviny amin'ny BlogCamp 2008 ho an'i Eoropa atsinanana sy afovoany izay tontosaina ao Kiev any Okraina amin'izao fotoana izao.

2008-10-01

Governance ,
Lalàna

The 8th Circle na ny faribolana faha-8 no miresaka momba ny fanafihan'ny piraty tamina sambo Okrainiana iray: “Ahoana moa ianao no hiatsambo miaraka amin'ny fiara mifono vy 30 MIAMPY fitaovana hafa fampiasan'ny miaramila no tsy ampy fiarovana hanosehana fanafihana piraty? Araka ny hita ao amin'ny tranonkalan'ny Minisitry ny raharaham-bahiny Okrainiana dia 21 ny olona tao, ka 17 ny Okrainiana, 3 ny Rosiana ary Letoniana ny iray.”

2008-07-29

Voina ,
Fanabeazana

Chernobyl and Eastern Europe no nanoratra fa “Mpampianatra 3 avy any Texas sy mpianatra Irakiana 27 no manao fanazarantena amin'ny fomba fanadiovana manala sisantaratra mampididoza” nandritra ny volana jona lasa teo tany Pripyat (Ukraine): “Eny, zavatra mahaliana azo atao amin'i Pripyat - ny fanazarana ny Irakiana  ny tekinikam-panadiovana ny tanàna izay tsy vitan'ny mpitondra tanteraka nandritra ny 23 taona lasa izao. Fa raha tsy izany, efa hitan'ny Irakiana aloha hoe ahoana moa no mety hahazo ny tanànany aoriana kely ao [raha tsy ampy ny fitandremana].”

2008-07-06

Rosia: Veloma mandrakizay ry “khrouchtchevki”

Andro vitsy lasa izay, drugoi, iray amin’ireo mpitoraka blaogy rosiana isan’ny be mpahalala sy malaky misandrahaka indrindra, dia nandefa tamin’ny LiveJournal, izay fampiasany, sary 17 maneho tangoron-trano iray ao Mosko, niorina fony vaninandro Khrouchtchev ( fiantso azy ireny mahazatra ny hoe khrouchtchevki, na pyati etajki, rihana dimy, na ...

2008-04-27

Voina ,
Tontolo_iainana

Mahatsiaro an'i Chernobyl i Déjà Vu - The Uncanny Feeling: “Raha mieritreritra momba ny Chernobyl aho … […] … nahita an'i Katya tao Kiev, 90 km atsimon'i Chernobyl, aho tamin'ny faha-16n'ny taonany, matin'ny tahotry ny loza izay tsy azony jerena na hevitreverina akory, nandray fiaran-dalamby ho any Leningrad handositra ny taratra mampidi-doza (radiation). Fa tsy niverina tany Kiev intsony ho'aho izy mandraka ity masonandro androany! Iny no “namarana tampoka teo ny fahazazako” hoy ny nambarany taty aoriana. Vadiko i Katya.”