Tantara mikasika ny Slovakia

Lalana Ao Slovakia: “Asiana Lavaka Sy Hitazana ny Fitomboan'izany”

  08 Marsa 2013

Tamin'ity taona ity, ratsy dia ratsy ny toetry ny lalana ao Slovakia. Raha jerena, mbola ratsy kokoa noho ny tamin'ny taon-dasa. Tamin'ny 28 Febroary, nanoratra [sk] ny gazety SME fa ao amin'ny faritra Košice, ao Atsinanan'i Slovakia fotsiny dia ahitana lavaka amin'ny arabe mirefy 37.000 metatra toradroa, kanefa mbola tsy tapitra...

Slovakia: Mamelona Adihevitra Ilay Fihaonambe “Mitady Fiainana Mendrika sy Azo Antoka”

  29 Oktobra 2012

Nanodidina ny 3000 ireo olona tafahaona “ho amin'ny zon’ny vahoaka mendrika” tao an-tananan’ny Partizanske, tamin'ny Septambra. Tamin’ity volana ity, ny 13 Oktobra kosa, olona nihoatra ny zato no tafahaona tahaka izany – “hiaraka ho amin’ny fiainana mendrika sy azo antoka” – tao an-drenivohitr'i Slovakia tao Bratislava (horonantsary). Niaraha-nanomana tamin’i Oskar Dobrovodský ...

Fiombonambe Eraopeana : “Alea (non) ACTA est” ? , na tsy mbola vita ve ny fanapahana?

  05 Marsa 2012

Ny fanetsehana ny mpiondana aterineto hanohitra ny ACTA, ny fifanekena ara-barotra manohitra ny fakan-tàhaka dia samy tsy mihalefy raha toa kosa ny PArlemanta Eraopeana tsy maintsy niatrika ny fndinihana ireo tolo-dalànanandritra ny fivoriany tao Strasbourg tamin'ny herinandro lasa. Ny fanamafisana dia nahemotra eo am-piandrasana izay ho fanambaràna avy amin'ny Fitsarana Eraopeana mikasika izay mampifandraika azy na tsia amin'ireo lalàna fototra.

Slovakia: Olana Momba Ny “Asa sa Vola”

  10 Janoary 2012

Tany atsinanan'i Slovakia, niangaviana hiditra amin'ny tetikasam-panjakana iarovana amin'ny tondra-drano ny tsy an'asa. Ao amin'io faritra manana taha ambony amin'ny tsy fananan'asa io dia efatra monja ny tovolahy nanaiky. Nandà avokoa ny hafa rehetra, nanambara fa mbola mahantra kokoa ry zareo raha mandray io asa io. Manoratra momba ny tsy fananan'asa ao Slovakia i Tibor Blazko ary mandika teny ny hevitry ny mpiserasera.