The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Serbia Tahiry Firenena

RSS ho an i Serbia

2008-07-25

Governance ,
Zon'olombelona

A Step at a Time [dingana amin'ny fotoany] no mandray ho azy ny resadresaka nifanaovana tamin'ny mpikambana ao amin'ny Akademia Rosiana RFE/RL milaza ny fanirian'ny fireneny hanakatonana ny fitsarana iraisam-pirenena misahana ny raharaha Yogosilavia taloha (ICTY na TPIY) taorian'ny nisamborana ny mpitarika Serba Bosiniaka Radovan Karadzic.

2008-07-09

Fandraharahana ,
Governance

Cafe Turco no manoratra fa mbola tsy eken'i Portugal ny fahaleovantenan'i Kosovo - ary lazainy ihany koa ny fihenambidy ataona trano fandraisam-bahiny iray ao Pristina ho an'ireo “mpitsidika avy amin'ny firenena manohana ny fahaleovantenam-pireneny.”

2008-07-04

Faritra Balkanika : Mpizahatany, tapany faha-2Sary post

Sary marobe, lahatsoratra ary hafatra maro mikasika ny tohin'ny dian'i Michael J. Totten's any Albanìa, sy Montenegrô ary Kôsôvô. [Ity dia mbola tohin’ilay lahatsoratra efa notaterina teto ihany : Michael J. Totten mpizahatany]

2008-06-30

Faritra Balkanika : Michael J. Totten mpizahatanySary post

Michael J. Totten ao amin'ny gazety Middle East Journal no manapariaka lahatsoratra ravahina sary mikasika ny diany farany tany amin'ny faritra Balkanika (93 ireo hafatra voarainy); LimbicNutrition Weblog kosa dia nanoratra ao amin'ny blaoginy ny valin-taratasy atolony an'i Totten.

2008-05-12

Fifidianana ,
Governance

Fanehoan-kevitra iray ao amin'ny A Fistful of Eurosmikasika ny fifidianana Serba: “Tsy nisy nanampo ny valim-pifidianana saingy hoy aho hoe misy hafatra tian-kampitain'ireo mpifidy araka ny fijery serba milaza fa tsy voatery hanaiky ny fahaleovantenan'i Kosovo vao tafiditra ao amin'ny Vondrona Eoropeana.” I Mark Mardell ao amin'ny BBC moa manaraka ny fifidianana ao amin'ny Euroblog - eto, eto ary eto. I Eric Gordy indray manaraka ny fifidianana ao amin'ny East Ethnia - eto, eto, eto ary eto. Manoratra i Gray Falcon fa “ny lala-tokana hahazoan'ny Demôkiraty fandresena amin'ny fifidianana dia ny fahfaha-mandingana ilay kajikajy milaza fa tsy ho azony ny maro an'isa ahafahana manangana governemanta.” Hoy ny mpamaham-bolongana  Greater Surbiton ao amin'ny ny antoko radikaly Serba - sy ao amin'ny voka-pifidianana santatra hoe: “[…] Nametraka fanavahana tsara ity fifidianana ity satria na dia banga aza ny fanekena an'i Kosovo, dia voailika ihany koa ny fikororosi-fahana mankany amin'ny fitiavan-tanindrazana  mihoa-pefy. […]”

2008-04-07

Eoropa atsimo atsinanana, Rosia: Ady, Fandriampahalemana ary tantara ifampizarana

Vladikavkaz renivohitry Ossetia Avaratra any Rosia, nametraka a baoritra kisarintsoratra amin'ny teny Rosiana izay ho sarotra tanterahina any Kaokazy avaratra ny mpampiasa ny LJ alan-tskhurbaev:   Kosovo is Serbia! Kosovo an'i Serbia! Raha mitaha amin'i Ossetia atsimo faritra miendaka amin'i Georgia, izay iheveran'ny mpitarika ao fa fanombohan-javatra iny fahaleovantenan'i Kosovo iny, dia nanamarika io ...

2008-03-25

Fahalalahàna miteny ,
Ethnicity

Balkan Baby no  manoratra momba ilay tompon-dakan'ny lomano Milorad Cavic: “Maro aminay izay nanohana tanteraka ny fahaleovantenan'i Kosovo no hanohana ny fanoheran'i Cavic ihany koa na dia mifandaka aza ireo hevitra ireo, noho ny fahitanay azy ho endrika zon'ny tsirairay ao anaty demokrasia ho afa-maneho hevitra sy milaza izay ao an-dohany. Na dia maro dia maro tokoa aza ny atleta no mianjaika amin'ny fitafiana fanaovana fanatanjahantena mitondra marika manana ny lazany mandoka varotra ny vokatra nivoaka farany, dia nasehon'i Cavic kosa fa mbola misy ny atleta no mijoro hisolo tena ny vahoaka misy azy ary ny fanatanjahantena, miaraka amin'ny fantsom-panabeazana hafa tahaka ny zavakanto sy ny teatira no hany sisa fiaroana matanjaka hanohanana ny soa iombonana rehefa mahatsiaro ho voafitaky ny politika isika.”

2008-01-28

Faritry Balkan : “Jestdej”

Sleeping with Pengovsky no manala sarona ny fomba ataon'ny mpihira Krôasiana hihirana ilay hira malaza ‘Yesterday'-n'ny tarika ‘the Beatles' : ... For all of you native speakers out there - if you ever wondered how English sounds to people from the Balkans - take a look at the above picture. “… Ho ...

2008-01-12

Faritry Balkan : topimasom-boky

Greater Surbiton no milaza ny topimaso ny boky mitondra ny lohateny hoe ‘Peace and Punishment’ (Fandriampahalemana sy Fanasaziana) nosoratan’i Florence Hartmann, “mpitondra tenin’ny mpampanoa lalàna ny Maisitira Carla del Ponte ao amin’ny Tribonaly heloka bevava iraisam-pirenena ho an’i Yogoslavia teo aloha(ICTY), […] olona ambony voalohany tao amin’ny ICTY nanoratra boky ...

2007-10-26

Faritry Balkan : « Resaka fiteny »

Ny blaogy Balkan Baby dia mitatitra mikasika ny « resaka fiteny » any amin'ny faritra Balkanika : « What language do we speak when we are in the countries that once made up Yugoslavia? In Slovenia and Macedonia the answer is quite simple since these two countries both had their own ...